airtel

Actualités

23-nov-2026

AVARATRA

ANDRAMBATO ANDRANONAHOATRA

Sample post image

Tanim-pasan’olona misy

23-nov-2026

olona milaza ho tompony
Misy trangan-javatra hafahafa eny Avaratra Andrambato, kaominina Andranonahoatra, distrikan’Atsimondrano eny. Misy tanim-pasan’olona efa misy fasana efa ela misy razana misy olona milaza ho tompony mantsy raha ny vaovao azo. Mampandre ireo rehetra manana fasana ao Avaratra Andrambato, ao anatin’ny parcelle 1668, registre 7, folio 34 araka izany ny tompon’andraikitra eo anivon’ity Fokontany iray ity fa misy raharaha mikasika izany tany izany eo am-pelatanan’ny fitsarana ankehitriny. Mikasa ny handrava ireo fasana rehetra ao anatin’izany faritra izany mihitsy mantsy ireo milaza ho tompony. Mba hahafahana miaro ireo fasana sy miaro ny zon’ny tompom-pasana moa dia mangataka ireo rehetra mbola tsy nahazo fampandrenesana ny eo anivon’ny Fokontany mba hanatona ny biraom-pokontany ao Andrambato. Marihina fa ny 07 Desambra ho avy izao no fotoana hanaovana ny fotoam-pitsarana (audience) eny Anosy mikasika izany hoy hatrany ny vaovao.
Pati
Legende : Ety ilay toerana misy ilay fasana tadiavin’ny sasany horavana !
 

Dans la même rubrique

20-nov-2026

Ankoatra ireo voapanga,

Card image cap
20-nov-2026

●Zava-mahadomelina hanolanana,

Card image cap
20-nov-2026

tamin'ireo nijoro vavolombelona

Card image cap