airtel

Actualités

24-nov-2026

Kraomita malagasy

Mitaky ny hamerenana

Sample post image

ireo fahazoan-dalany ny mpiasa

24-nov-2026

Nanao fanambaràna tao amin’ny toeram-pitrandrahana ao Brieville, distrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka, omaly ny sendikan’ireo mpiasan’ny Kraomita malagasy. Isaorana, hoy izy ireo, ny filohan’ny fanavaozana,ny Kolonely Mickael Randrianirina, izay angady nananana sy vy nahitàna ny fisokàfan’izao orinasa nataon’ny fitondràna teo aloha tantely afa-drakotra izao. Milaza izy ireo fa mbola miantso vonjy amin’ny filohan’ny fanavaozana ankehitriny satria nisy ny taratasy fitakiana teo anivon’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany ny 15 jona 2026 ny amin’ny famerenana manontolo ireo fahazoan-dalana hitrandraka na «permis miniers» hanànan’ny orinasa Kraomita malagasy saingy mbola tsy nisy valiny izany hatramin’izao. Takiana, noho izany, hoy ny sendikalista, Nene Lanja Daniel, ny hamerenan’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany manontolo ireo fahazoan-dalana hitrandraka hanànan’ny Kraomita malagasy. Io ihany, hoy izy, no hiantoka tanteraka ny fampiodinana ity orinasa malagasy ity. Mamelona ankohonana aman’alina ary miantoka ny fampandrosoana ny kaominina sy faritra maro manerana an’i Madagasikara izany. Mbola averina, noho izany, ny antsoavo amin’ny filohan’ny fanavaozana ny mba hijereny akaiky izao raharaha izao sao ho very indray ny tsirim-panantenàna kely velona tao amin’ireo mpiasa rehetra izay vokatry ny ezaka nataony. Tsy fanakorontanana izao fa fitakiana ny anjaran’ny orinasa sy fandaminana fomba fiasa. Mbola miandrandra fanantenana avy amin’ny filohan’ny fanavaozana ny mpiasan’ny Kraomita malagasy. Matoky azy ihany koa ny amin’ny famahàna ny olana sedrain’ny orinasa ankehitriny, hoy hatrany ny fanambaràn’ity sendikà ity. Tsapa fa mbola misy zavatra maharary ny mpiasa ankehitriny, hoy ny solontenan’ireo mpiasa, Lova Madio Randrianjafy. Fantatray mpiasa, hoy izy, fa ampiasain’ny minisitera ny fahazoan-dalana tokony ho anay any amin’iny kaominin’i Betsiaka, distrikan’Ambilobe, iny. Ny minisitera no manao ny sonian’ireo fifanarahana amin’ny olona hitrandraka volamena any an-toerana. Manahy ny mpiasa fa maheno hoe misy izany «zone d’étude géologique» na toeram-pitrandrahana efa nanao fikarohana izany, izay izaràna ireo fahazoan-dalan’ny Kraomita malagasy ka anton’izao hetsika izao izany. Miantso ny fitondràm-panjakàna hijery akaiky izao raharaha izao. Efa nisy ny taratasy misokatra nalefa nanaovàn’ny mpiasa fitakiana tamin’ny jona 2026. Nalefa tamin’ny minisitera io mba hamerenany an’io fahazoan-dalana io. Efa 7 volana izay no niandràsan’ny mpiasa valiny mikasika izany saingy izao tsy maintsy tonga amin’ny hetsika fanairana izao izahay, hoy hatrany ity sendikalista ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-nov-2026

Nahavitana mitsitsy gazoala mitentina

Card image cap
24-nov-2026

Trano miisa 15 may,

Card image cap
24-nov-2026

Nitondra zava-baovao ireo

Card image cap
23-nov-2026

Tanim-pasan’olona misy

Card image cap