airtel

Actualités

24-nov-2026

RAHARAHA

AMBOHIMALAZA

Sample post image

Nitondra zava-baovao ireo

24-nov-2026

lasibatra sy vavolombelona
Mitohy mivoaka tsikelikely eo anatrehan’ny fitsarana ireo antsipiriany sy fijoroana vavolombelona mifandraika amin’ny raharaha Ambohimalaza. Nandritra ny fotoam-pitsarana androany dia samy nitondra fanazavana vaovao ireo sisa velona sy havan’ireo niharam-boina, ka nisy ireo niresaka ny zava-niseho talohan’ny fahafatesan’ny havany, nisy kosa nanamafy ny momba ireo valim-pitiliana, ary nisy ihany koa ireo nitantara toe-javatra hafa nahasarika ny sain’ny mpanatrika. Naverina nojerena moa ny ampahany tamin’ny horonantsary, izay niaingana tamin’ny famotorana, ka anisan’ny sahirankirana ihany i Fenohasina tamin’ny famaliana ireo fanontaniana, toy ny hoe : olona 10 no tao an-dakozia, ka 6 no maty, raha 4 kosa no velona. Anisan’ireo tsy maty tamin'ny izany : Fenohasina, ny reniny, ny zokiny ary Clarisse,… saingy tsy tena voavaliny ny antony tsy nahafaty azy ireo, fa ny narary mafy hatrany no naveriny.
ZAVA-BAOVAO
Nanaitra ny fijoroana vavolombelona nataon’i Mampionona. Nambarany fa naheno i Déborah fa nandre antso avy amin’ny vehivavy iray raha tao amin’ny toeram-pivoahana izy nilaza ilay hoe : « Vita ny mission ». Io fehezanteny io ihany koa, hoy izy, no nambaran’i Déborah taminy taorian’ny fidirany hopitaly voalohany. Namoy ny ainy tatỳ aoriana i Déborah, na dia efa nihatsara aza ny toe-pahasalamany. Nambaran’ny renin’i Stefy nandritra ny fotoam-pitsarana fa bevohoka ny zanany tamin’ny fotoana nahafatesany. Nitombo ho 36 ireo olona namoy ny ainy, raha ampidirina io. Nijoro vavolombelona ny zokin’i Hajakely, fa nilaza taminy ny renin’i Fenohasina hoe : « Aza manaonao autopsie izany fa mikorontana amin'io ny fianakaviantsika ». Nilaza ihany koa izy fa mieritreritra fa ny zandriny no mety nanaovana andrana voalohany ilay poizina. Gaga izy ireo tamin’ny fiovan’ny fari-piainan-dry Fenohasina tao anatin’ny fotoana fohy. Nisy aza fotoana nahitany azy naterina fiara misy “vitre fumée”, zavatra izay nahatonga fanontaniana tao an-tsain’ny fianakaviana.
RESAKA FITILIANA
Nandritra ny fijoroany vavolombelona, i Nalhia, zokin’i Tsilavina izay isan’ireo nanatrika ilay fety nahafaty olona, dia nilaza fa efa nahalala izy ireo tamin’izany fotoana fa « méthanol » no hita tamin’ny fitiliana. Nasehon’ny « Doyen du Juge d’Instruction » azy ireo ny valin’ny « analyse » ary nasaina novakiny mihitsy ny tatitra avy any Frantsa. « Méthanol » no hitan’izy ireo tao amin’izany. Nilaza anefa izy fa gaga rehefa avy eo naheno fanambarana milaza fa Belladone sy Datura indray no notononina ampahibemaso. Tsy anisan’ireo nantsoina teny Iavoloha nandritra ny famangiana ireo niharam-boina izy ireo. Io fanamarihana io ihany koa no naverin’ny cousine-n’i Fenohasina izay isan’ireo narary sy very havana nandritra ilay tsingerintaona mainty. Nilaza izy fa efa nasehon’ny Doyen azy ireo ny valim-pitiliana natao tany ivelany ary méthanol no hita tao, ka nahagaga azy ireo ny fisian’ny fanazavana hafa nivoaka tatỳ aoriana. Anisan’ireo nahita mivantana ny valim-pitiliana milaza fisian’ny méthanol tao anatin’ilay sakafo ihany koa ny zokin’i Hajakely, araka ny nambarany teo anatrehan’ny fitsarana. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’i Mampionona sy Fitahiana, izay isan’ireo sisa velona sy nalefa notsaboina tany ivelany kosa, dia nilaza ny Profesora nandray azy ireo tany Maurice fa Botulisme, na izay nantsoiny hoe « Arme de Guerre », no aretina nahazo azy ireo.
NIOVA TAMPOKA NY FARI-PIAINAN’I FENOHASINA…
Mbola niteraka adihevitra ihany koa ny fijoroan’ny renin’i Nombana sy Onja, izay niatrika ny fitsarana an-dranomaso. Nambarany fa mino izy fa misy olona na hery manohana an’i Fenohasina. « Tsy itako ny tsy hitsoran'i Fenohasina izay lamosina miaro azy » sy « Manamafy aho fa misy lamosina be i Fenohasina any ambadika any », hoy izy teo anatrehan’ny fitsarana. Nolazainy ihany koa fa nanontany an’i Fenohasina momba ny fiavian’ny volany i Nombana sy Jessica rehefa nahatsikaritra fa niova tampoka ny fari-piainany. Araka ny fitantarany dia izao no navaliny : « Tsy miasa aho fa izaho manana papasôsy ». Nambarany farany fa hatramin’izao dia mbola tsy naharay teny fampiononana avy amin’ny fianakavian’i Fenohasina izy ireo, na dia efa maro aza ireo aina nafoy sy fianakaviana nitondra takaitra vokatry ny raharaha Ambohimalaza. Na teo aza ny fiezahan’i Clarisse niaro tena, hentitra ny Fitsarana nanakiana ny filazany fa noteren’ny zandary satria nambara fa nisy tamin’ireo aza nanambitamby azy hilaza ny marina toy ny hoe raha migadra 3 volana ihany fa lazao ny marina. Manomboka mitombo ireo irika, saingy mbola betsaka ihany koa ny zavatra mifamahofaho…


Navela hivoaka ny fonja i Mendrika Lavorary noho ny tsy fahasalaman’ny zazany vao teraka izay voalaza fa narary vokatry ny rivotra maloto tany am-ponja. Nolavin’ny Fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjimaika na « LP » , fa fivoahana arahina mpiambina na « Sortie sous-escorte », ary tsy maintsy miatrika ny Fitsarana.
Toky R

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Dans la même rubrique

24-nov-2026

Nahavitana mitsitsy gazoala mitentina

Card image cap
24-nov-2026

ireo fahazoan-dalany ny mpiasa

Card image cap
24-nov-2026

Trano miisa 15 may,

Card image cap
23-nov-2026

Tanim-pasan’olona misy

Card image cap