airtel

Actualités

30-mars-2023

Actualités

Angovo azo havaozina Manoka-baravarana i Allemagne

Sample post image

Notanterahina tany Berlin Renivohitr’i Allemagne ny 28 sy omaly 29 martsa ny fifanakalozan-kevitra lehibe momba ny Angovo azo avaozina na BETD.23 (Berlin Energy Transition Dialogue) andiany faha-9.

30-mars-2023

Lohahevitra amin’izany ny hoe: “''Energiewende - Securing a Green Future'' na Firosoana amin’ny angovo azo havaozina, antoka ho an’ny ho avy ekolojika. Niatrika izany ny Minisitry ny Angovo sy akoran’afo Malagasy Solo Andriamanampisoa. Ambohipihaonan’ireo sangany amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina io, ary voasokajy ho atrik’asa goavana indrindra momba ny fifampiresahana iraisam-pirenena mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny firosoana amin’ny angovo azo havaozina. Nahatratra 2000 ireo mpandray anjara avy amin’ny firenena maherin’ny 90, ka 50 minisitry ny raharaham-bahiny niampy minisitry ny angovo sy sekreteram-panjakana, ary teo ihany koa ny mpandaha-teny hatrany amin’ny 100. Ho an’I Madagasikara manokana, omaly ny fotoana nandraisan’ny minisitry ny angovo Malagasy fitenenena, saingy tsy nandeha izany tamin’ny fotoana nanoratana. Ankoatra ny fandraisan’anjaran’I Madagasikara amin’io fihaonana avo lenta momba ny angovo io, manampy hatrany ity Nosy ity amin’ny firosoana amin’ny angovo azo havaozina ny governemanta Alemà, amin’ny alalan’ny fandaharan’asa momba ny fiaraha-miasa ara-teknikan’i Allemagne dia ny GIZ PERER na ny Fampiroboroboana ny herinaratra any ambanivohitra sy ny angovo azo havaozina, izay iaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Angovo, hoy ny eo anivon’ny Masoivohon’I Allemagne.
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap