airtel

Actualités

24-déc-2024

ANKATOKY NY FETY

Misy mangalatra hatramin’ny vary eny an-tsaha

Sample post image

Misy mangalatra hatramin’ny vary mbola tsy voajinja eny an-tsaha amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao.

24-déc-2024

Olona maro no nitaraina mikasika izany variny misy mijinja izany eny amin’ireo tanimbary an-kavia sy an-kavanan’ny digy miazo an’i Fenoarivo, Atsimondrano. Hanaovan’ireo mpangalatra latsak’alina ny vary ary raofiny ireo efa masaka dia hampatoriany ny tahony avy eo. Tsy mahalala ny tompony noho izany fa heveriny ho tena matory tokoa ireo vary kinanjo izay lalovan’ireo mpanao ratsy dia efa tsy misy vaoniny intsony. Marihina moa fa maro amin’ireo vary hambolena eny amin’iny faritra iny no efa tena masaka avokoa ny ankamaroany na dia tsy misy ranon’orana aza. Tsy fantatra anefa na fantatry ny tompony izany na tsia fa mbola tsy misy mijinja ny ankamaroan’izy ireny hany ka maka fanahy ireo mpanao ratsy fotsiny. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo mpamboly vary eny amin’iny faritra iny mba samy ho avy hijery ny variny. Mety ny mpangalatra mantsy no ho voky mialohan’izy ireny raha tsy misy ny fanaraha-maso. Ny kapoakam-bary rahateo efa mananika ny 1100 Ar ny iray kapoaka eny an-tsena.
Pati
Legende : Ho lanin’ny mpangalatra ety am-potony itony vary efa masaka mbola tsy voajinja itony raha mitohy izao !

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap