airtel

Actualités

12-sept-2024

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

Tsy ho mora ny miandry ny ben'ny tanàna vaovao eo

Sample post image

Voasokajy ho anisan'ireo renivohitra maloto sy mikorontana indrindra eto ambonin'ny i Antananarivo.

12-sept-2024

Mivezivezy ora iray mitety ireo faritra misy tsena sy mpivarotra amoron-dalana dia efa mahita porofo hita maso sy ren'ny orona tsara momba izany. GABORARAKA Amin'izao taona 2024 izao dia mbola misy posy sy sarety entin-tanana mivezivezy isan'andro mitety faritra eto Antananarivo. Misy omby mandeha an-dalambe ihany koa, maro be ny fokontany ahitana fiompiana izay tay tokony hatao an-drenivohitra fa eny ambany vohitra ary amina toerana voatokana ho amin'izany. Loto eraky ny tanàna, mifangaro ny fiara, moto, bisikileta, olombelona , mpivarotra amoron-dalana sy anaty arabe. Samy manao izay tiany ireo mpivarotra hani-masaka...hita mitety ireo araben'ny renivohitra ny kalesy mitondra akondro, ary amin'ny fotoana rehetra. Tazana ho very fanahy mbola velona ireo polisy mpandamina ny fifamoivoizana rehefa tonga ny "heure de pointe" satria na hitsoka kiririoka mafy be toa inona, na mahita paikady handaminana ny mandroso sy miverina dia ny teo ihany no mbola eo. Gaboraraka ny fifamoivoizana, tsy ampy ireo mpampiasa lalana intsony ny arabe. LOTO Firifiry ny lakan-drano sy tatatra vaky ka manamaimbo tanàna ny rano maloto sy ny fako hafa nisy nanary tao anatin'izy ireny. Mbola tena mila ezaka be ny fanabeazana sy fitaizana ny mponina ny amin'ny fitandroana ny fahadiovan'ny tanàna. Toa lasa fomba amam-panao ny manipy fako sy ranon-dolana eny an-dalambe. Firifiry ny tokantrano, tsy tahotra tsy henatra fa dia mamoaka ny rano maloto sy efa niasa tao aminy ety amin'ny lalam-bahoaka.Mbola resaka hafa ny tsy fandriampahalemana, halabotry, fanendahana, sy ny maro hafa. Ny dikan'izany rehetra izany dia asa mafy no miandry izay ho ben'ny tanàna manaraka eo , tsy vitan'ny kabary sy fampanantenana na fanakianana izay nitantana teo aloha fa tena mila paikady sy fandaharan'asa matotra, misy tetiandro mazava, mila mahita moiara-miombon'antoka sy loharanom-bola matanjaka ary ny tena goavana dia manana fahasahiana hampihatra ny lalàna. Mazava ho azy tsy maintsy mafy be ny fanabeazana ny mponina. Tsy ho vita anefa izany rehetra izany raha toa ka mbola atao kianja filalaovana politika avo lenta hikendrena toerana sy voninahitra Antananarivo.
RTT 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap