airtel

Actualités

08-janv-2024

Assanati Famo Gidraka - raharaha vary simba

« Sazio avokoa izay tompon’antoka fa aza asiana fanavakavahana »

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginana Rtoa Assanati Famo Gidraka,

08-janv-2024

filoham-boninahitry ny fikambanana Assanati Famo Gidraka taorian’ny nampidirana am-ponja vonjimaika ny prefen’i Mahajanga sy ny tale misahana ny varotra ao amin’ny Faritra Boeny mikasika ilay raharaha vary simba tany an-toerana. Nambarany tamin’izany fa tokony hosaziana avokoa izay rehetra tompon’antoka tamin’iny raharaha iny fa tsy asiana fanavakavahana. Ny teknisiana hatrany no tratra farany hoy izy nefa mbola misy hafa manao ny hataony tsy voakitika. Rehefa tsy hosaziana ireny olona ireny hoy hatrany Rtoa Assanati Famo Gidraka dia takiany ny hamoahana ny prefe sy ny talen’ny varotra. Tsiahivina moa fa mbola mirihariha any an-toerana hatramin’ny omaly ny Governoran’ny Faritra Boeny sy ny solombavambahoaka roa izay voasaringotra amin’ity raharaha ity nanao sonia ny famoahana ireo vary 50 kaontenera simba tao Mahajanga. Notsiahivin-dRtoa Assanati moa fa mety namparary ireo vahoaka maro tao Mahajanga iny vary iny raha nohanina antony tokony hamongorana ireo tsy maty manota, hevitra hitoviany amin’ny Synad izay nanao fanambarana ihany koa.
Pati
Legende : Rtoa Assanati Famo Gidraka
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap