airtel

Actualités

19-juil-2023

Actualités

Delestazy be tamin’ny alahady Taorian’ny papango sy ny vorona dia sabôtazy indray hono !

Sample post image

Ahiana ho nisy nisompatra ny tambajotra PIA-Tana-Sud ka nitarika filatsahan'ny tambajotra mitondra ny herinaratra avy any

19-juil-2023

Andekaleka ihany koa, nahatonga ny delestazy goavana tamina faritra maro teto Antananarivo ny alahady teo nifanandrify indrindra tamin'ilay fandaharana manokana nataon'ny filoham-pirenena”, hoy ny seraseran’ny Jirama. Nilaza noho izany io orinasa io, fa hametraka fitoriana an'olon-tsy fantatra (plainte contre x sy “cameras de surveillance” amin’ireo “sous-stations” rehetra ny JIRAMA. Vahaolana lavitr'ezaka kosa ny fametrahana olona mpiambina ireny “lignes” saro-pady 63kv sy 138kv ireny ary “drones” amin'ireo toerana saro-dalana. Sao dia mba tetika politika nenti-nampiakatra ny mpanaraka ilay fandaharana tamin’ny tambajotran-tserasera satria iny no isan’ny nanaovan’ny fitondrana serasera fa tena nahazo olona tao amin’ny Facebook. Mba tsy nahazo tsiny indray izany ny vorona sy ny papanga teto. Betsaka izay zavatra noresahana nentina nanazavana ny tsy fahatomombanan’ny famatsiana herinaratra sy ny delestazy mandavan-taona izay. Tsy vao izao fa efa hatramin’ny andron’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo teo aloha Andry Ramaroson no nilazana fa misy mafia ao amin’ny Jirama. Nandeha ny raharaha halatra solila, niakatra fitsarana ny raharaha fahazoana tombotsoa mihoampampana ho an’ny mpitantana ambony, namoahana didy fampikarohana ny Tale Jeneraly teo aloha Vonjy Andriamanga sy ny Tale Kabinetra teo aloha Rtoa Onja Rasamimanana, ary ny Tale Jeneraly Atoa Rivo Radanielina izay mbola tsy voasolo mandrak’androany ary voatery nandeha nitsoaka any ivelany ny Tale Jeneraly. Efa nisy nisy raharaha fahamaizana tany Andekaleka, ny resaka figafiana ny andrin-jiro mitondra herinaratra matanjaka be ka namoahana serasera fa omena volabe izay manome fanampim-baovao hahatrarana ny tompon’antoka,… Nandalo ireny rehetra ireny, efa tsy eo intsony ireo tompon’andraikitra isan’ny nosokajiana ho fangoloka, fa ny delestazy mbola mitoetra. Rehefa zohiana, sasatry ny mitady izay hanilihana ny rihitra hatrany. Nandeha ny fampanantenana samihafa momba ny hahafoana ny delestazy, ka ny farany teo dia ilay tamin’ny alahady 16 jolay nilazana fa ao anatin’ny tapa-bolana farafahatarany. Mandra-piandry izany rehetra izany, dia mbola tsy voatendry mandrak’androany ny Tale Jeneraly vaovao, izay toa niova anarana ho “manager de redressement” indray ka asa hanao ahoana ihany? Dimy taona teo tsy hita izay vahaolana fa vao mainka aza nitombo ny tanjaky ny delestazy ka asa hoe: tena hisy ve ny fahagagana ao anatin’ny tapa-bolana sa balarora tahaka ny ankamaroan’ireo efa notenenina hatramin’izay ihany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap