airtel

Actualités

23-mai-2023

Actualités

Delestazy nanerana an’Antananarivo Nambara fa nigebona indray ireo milina 3 any Andekaleka

Sample post image

Misy tsy fahatomombanana tampoka ireo milina mpihary herinaratra miisa telo ao Andekaleka ka mahatonga tsy fahampian'ny tanjaky ny herinaratra amin'ny ankapobeny eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo.

23-mai-2023

Tapatapaka arak'izany ny famatsiana herinaratra amin'ny toerana sasantsasany eto Antananarivo sy ny manodidina, koa ialàna tsiny indrindra ny fanelingelenana aterak'izany tompoko. Efa an-dalam-panarenana ny tsy fahatomombanana ny teknisiana ka rehefa vitæ izany dia hiverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra amin'ireo toerana mbola voakasiky ny fahatapahana”, hoy seraseran’ny Jirama omaly tamin’ny 10 ora alina sy 15 minitra. Maizina tanteraka Antananarivo omaly alina, eny fa na teny amin’ny Faritra Ambatobe misy ny fonenan’ny Filoham-pirenena aza. Ny janoary 2022 no nisy fahatapahana goavana tao Andekaleka noho ny resaka fahaizan’ny milina, avy eo mbola nisy hoe: dibo-drano. Nampanantenaina tamin’izany fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy, izay ny Filoa Rajoelina mihitsy no nidina nanao serasera tany, saingy mandrak’ity ny androany vao mainka loza. Tsy resaka milina ihany, fa hatramin’ny fandoavana ny volan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Jirama olana be. Vao tamin’ity volana ity ohatra, dia nitaky 250 miliara Ar ny Tozzi Green. Miainga amin’ny vahaolana vonjivonjy tavanandro eo ka mitambatra ny olana teknika sy ara-bola. Tsy tena misy vahaolana, tsy araka ny vava be tamin’ny propagandy, aiza ihany ilay 400MW, angaha tsy efa fantatra indray ny filana ara-angovon’I Madagasikara araka ny nambara tao anatin’ny adihevitr’ireo kandida tamin’ny 2018 ary efa vonona ny zava-drehetra,… Azo antoka fa mbola azon’ireo ho kandida Filoham-pirenena hanaovana fampanantenana ny resaka Jirama amin’ny propagandy manaraka satria poakaty ny nambaran’ilay kandida lany. Mila hamoraina anefa ny fisitrahana angovo azo havaozina, fa raha hanantena ny Jirama mety mbola ho ela.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap
16-mai-2025

Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny

Card image cap
16-mai-2025

Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na

Card image cap
16-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,

Card image cap
16-mai-2025

Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,

Card image cap
16-mai-2025

Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.

Card image cap