airtel

Actualités

12-juin-2023

Actualités

Delestazy-tsy fandriampahalemana Mampody ny mpianany mialoha ny ankamaroan’ny sekoly

Sample post image

Vao amin’ny 05 ora hariva amin’izao dia efa maizimaizina ny andro no sady mangatsiaka mamirifiry. Tato anatin’ny tapa-bolana mahery izao no niainan’ny rehetra izany noho ny fahatongavan’ny vanim-potoanan’ny ririnina.

12-juin-2023

Manampy trotraka izany ny delestazy lavarenin’ny JIRAMA. Amin’ny ankapobeny dia amin’ny 5 ora, ora fodiana any an-tokantrano mihitsy no tapaka ny jiro. Tsy afaka manohy ny fianarany ara-dalana intsony ny mpianatra noho izany ho an’ireo mirava amin’ny 06 ora raha mahandro sakafo maizina ihany koa ireo efa tonga any an-tokantrano. Voatery nanamboatra ny fandaharam-potoanany araka izany ny ankamaroan’ireo sekoly nanaovanay fanadihadiana teny amin’iny distrikan’Atsimondrano iny. Naroso amin’ny 05 ora sy sasany farafahatarany ny firavan’ny mpianatra amin’ny hariva. Tsy maintsy tsenaina ihany koa ireo mbola ao amin’ny kilasy fahaenina ohatra noho ny firongatr’ireo mpanendaka. Tsy vitsy amin’ireo mpianatra mirava hariva mantsy no voaendaka tato ho ato ka nandraisan’ny ankamaroan’ny sekoly fepetra ihany koa. Amin’ny ankapobeny moa dia amin’ity herinandro vaovao ity no miatrika ny fanadinana fifindran-kilasy ny mpianatra rehetra ankoatra ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana. Hiditra ao anatin’ny fialan-tsasatra lehibe araka izany ny rehetra mialohan’ny fetim-pirenena 26 Jona ho avy izao.
Pati
Legende : Ravaina mialoha avokoa ny mpianatra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap