airtel

Actualités

04-mai-2026

Depiote Naivo Raholdina

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Sample post image

Voasambotra ny alin’ny sabotsy

04-mai-2026

teo i Naivo Raholdina, depiote voafidy tao amin'ny boriboritany fahadimy Antananarivo tamin’ny anaran’ny IRMAR (Isika Rehetra Miaraka amin'i Andry Rajoelina). Nentina any Fiadanana izy ary hanaovana fanadihadiana, saingy tsy mbola fantatra mazava tsara ny anton’ny fisamborana. Voalaza fa vao nitsabo tena tany ivelany i Naivo Raholdina, ary tsy teto Madagasikara tao anatin’ny volana maromaro. Ny zoma no voalaza fa nigadona an-tanindrazana ary no nosamborina teny an-tranony teny Analamahitsy. Marihina fa ny depiote Naivo Raholdina dia mpikambana ao amin'ny vondrona politika IRMAR, niaro fatratra an’i Andry Rajoelina, ary tena nahavita vava tsy ambina maro ho an’ny mpanohitra sy ny vahoaka. Depiote nosokajiana ho mahery fihetsika, natoky tena loatra, nihetraketraka toy ny tamin’ny hetsiky ny collectif des candidats tamin’ny oktobra 2023, nandrangaraka fitaovam-piadiana, mihantsy ady hifanao iray sy iray tamin’ny haino aman-jery, nalaza tamin’ny raharaha fidirana an-tsehatra tamin’ny ara-tany toy ny fifanolanana,… i Naivo Raholdina. Betsaka ireo teny sy kabary politika nataony niteraka adihevitra sy fahasosorana,… Anisan’ireo mpanao politika lasibatry ny fandoroana fananana ny 25 septambra 2025, nisitrika, saingy io voalaza fa tany ampitan-dranomasina io. Asa inona no nampiverina azy an-tanindrazana ? Efa nisy nanome toky fa milamindamina ny raharaha ? Nisy nampijabaka ? Tapitra sy tsy azo navaozina ny fe-potoana nipetrahana tany ivelany ? Mety sarotsarotra taorian’ny 6 volana, ka tsy maintsy nody satria nisy olana ara-taratasy ? Betsaka amin’ireo mpanao politika Malagasy nitsoaka any ivelany rahateo no mety misy manana olana. Ny volana febroary teo, ohatra, dia voalaza fa nangataka fialokalofana ara-politika na « demande d’asile » ao Frantsa ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian sy ny Loholona teo aloha Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Tsy afaka nanao an’izany ve ry depiote Raholdina ? Heverina fa nesorina ny « immunité parlementaire » matoa azo nosamborina. Na izany aza Depiote 5 no naogan’ny HCC : Ahmad Ahmad, Rahantanirina Lalao, Raharoarilala Tinoka Roberto, Rahelihanta Jocelyne, ary Soafilira Princia rehefa nambara fa voamarina ny tsy fisiana antony ara-dalàna nanamarina ny tsy fahatongavan’izy ireo, ka nambara ho voaroaka ho azy. Anisan’ny tsy nipoitra intsony teny amin’ny Antenimierampirenena i Naivo Raholdina sy ry Lanto Rakotomanga, tao anatin’ny 6 volana taorian’ny nionganan’ny fitondrana Rajoelina. Mbola misitraka feno ny tombotsoa maha depiote satria mbola tsy nisy didin’ny HCC manamarina fahabangan-toerana  raha ny lojikany. Nitombina sy azo nekena ny fanazavana nataony ? Mety hanara-dia an-dry depiote Sahondrarimalala Marie Michelle?
Toky R
 

Dans la même rubrique

04-mai-2026

Mitondra ny anjara birikiny ny asa fanaovan-gazety

Card image cap
04-mai-2026

Mampahatsiahy ny lalàna sy miantso ny vahoaka hitandrina ny polisim-pirenena

Card image cap
04-mai-2026

Mpanao gazety 106 mianadahy notolorana mari-boninahitra

Card image cap
04-mai-2026

Miala any ny vokatra Fosa

Card image cap
30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap