airtel

Actualités

09-janv-2025

DIGY MITSOFOKA

AMBOHITRIMANJAKA Tsy lany sasaka ny gisa tokony namidy tamin’ny fety

Sample post image

Toerana tena malaza amin’ny fivarotan-gisa ny digy mitsofoka mankany Ambohitrimanjaka

09-janv-2025

rehefa fetin’ny Krismasy sy ny taom-baovao. Tsy araka ny nanampoizana azy anefa ny fety tamin’ity taona 2025 ity raha araka ny fitarainan’ireo mpivarotra izay marihina fa mpiompy avokoa ny ankamaroany. Tsy lany sasaka akory mantsy ireo gisa tokony namidy tamin’ny fety. Raha nivarotra gisa miisa 20 ny mpiompy iray ohatra dia tsy nahalafo afa-tsy 5 monja tamin’ny fety teo. Raha araka ny fanazavan’izy ireo hatrany anefa dia efa mba nampidininy ihany ny vidin’ny gisa tamin’ity taona ity. Efa nisy 50.000 Ar izany raha tokony ho 70.000 Ar. Tena mbola tsy nahasahy ihany anefa ny ankamaroan’ireo olona tonga nanontany gisa teny an-toerana. 30.000 Ar ny ankamaroan’ny lelavola teny am-pelatanan’ny tsirairay izay Reny akoho na gana iray lehibe no sahaza azy hoy hatrany ireo mpivarotra. Ahitana taratra ny fahasahiranana sy ny fitontongan’ny fiainan’ny isan-tokantrano izany hoy hatrany izy ireo. Mbola hitohy hatramin’ny faran’ity volana Janoary ity araka izany ny fivarotan-gisa tanterahin’izy ireo ho famaliana ny hetahetan’ireo mpanjifa mbola hifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao 2025….
Pati
Legende : Mbola maro azo hisafidianana tahaka izao ny gisa eny amin’ny digy mitsofoka an’Ambohitrimanjaka !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap