airtel

Actualités

17-févr-2023

Actualités

Efa mampandre ny Jirama Miala any indray ny delestazy mitety faritra

Sample post image

Hisy fahatapahana herinaratra indray ato anatin’ny 5 andro, izany hoe ny faha 20n’ny volana ihany no mety mba hilamina, raha ny vinavina nataon’ny JIRAMA omaly ho an’Antananarivo sy ny manodidina.

17-févr-2023

Nanomboka omaly alakamisy moa izany no voalaza fa efa nihatra teny Ankorondrano, Anosizato, Ampahitrosy, Ankoka, Antanetikely, Ambohijoky, Alavarano, Ampanosoa, Antongobato, Antakiaka, Antaboaka nanomboka tamin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva. Voalaza ho anton’izany ny fanoloana andrin-jiro hazo potika eo Ampahitrosy. Noho ny fanoloana andrin-jiro hazo potika eo Talatanivolonondry koa dia nisy izay fahatapahana izay teny Avaratsena Talatanivolonondry. Manomboka anio kosa eny Ikianja Ambohimanga dia voalaza ho anton’izay indray manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva ny fikojakojana ara-potoana ilana fanapahan-jiro na herinaratra, raha ny marimarina kokoa. Rahampitso sabotsy dia ry zareo eny Talatamaty, Andranotapahana, Ankadivoribe indray no ho lasibatra manomboka amin’ny 9 maraina hatramin’ny 4 hariva hatrany. Isan’izany koa ny eny Mandroseza eny ary hatramin’ny 5 ora hariva mihitsy. Ny alahady, noho ny fanamboarana amin’ny tariby mitondra herinaratra sy fandrantsanana hazo dia mbola ho tapaka amin’ny 9 maraina hatramin’ny 5 hariva ny eny Anosizato, Ampitatafika, Fenoarivo, Alakamisy, Ambatomirahavavy, Imerintsiatosika, Arivonimamo. Ny talata moa hoe ho fikojakojana ara-potoana sy fanoloana fandri-baratra dia ho tratran’izay fahatapahana izay I Antanetibe Ikianja, Ambohimarina, Ambohitrombihavana. Mbola toy izay koa no antony hanapahana ny eny Anjeva ny alarobia, hoy hatrany ny fampahafantarana natao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap
19-mai-2025

Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana

Card image cap
19-mai-2025

Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny

Card image cap
16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap