Herinandro vitsy mialohan’ny fikaonandoham-pirenena isika izao, hoy ny KFIM na Komity fanorenana ifotony an’i Madagasikara. Isan’ny andrasana, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny, ny hoe rafitra toy ny ahoana na lalàmpanorenana manao ahoana no ho tapahan’ny be sy ny maro anatin’izay? Adihevitra be izao ny hoe tsy mety intsony ny fanjakàna tokana na «Etat unitaire» fa nampahantra antsika. Tokony hiditra amin’ny federalisma na hafa koa isika! Ho an’ny antoko politika Otrikafo sy ny KFIM, ho an’ireo rehetra mety manana sosonkevitra mikasika ny lalàmpanorenana dia tokony hamoaka ny azy avokoa mba ialàna amin’ny fanao taloha hoe «eny» na «tsia» fotsiny ihany no resahina anatin’izay. Isan’ny be mpiresaka izao ny fanjakàna tokana sy ny federalisma ka tsotra be ilay izy hoe ahoana no hitsinjaràna marina ny fahefàna? Ahoana no tena itsinjaràna ny harenan’ity Madagasikara ity? Isan’ny mampitaraina ny mpiray tanindrazana ny hoe isaky ny misy zavatra ilaina atao dia tsy maintsy miakatra aty Antananarivo. Fitsaboan-tena isany. Fampianaran-janaka ihany koa. Antananarivo hatreto no heverina fa hahafahana manome fitsaboana azo antoka kokoa na fampianarana tsara kokoa. Toy izany koa ny fanaovana antotan-taratasy maro samihafa. Isan’ny mampimenomenona ny olona, ohatra, ny resaka pasipaoro. Midika ve izany fa raha tsy fanjakàna federaly tsy ho afaka hanao izany? Raha fanjakàna tokana ka voatsinjara araka ny tokony ho izy ve ny fahefàna sy vola dia tsy ahafahana manao izany? Ny olana tokana dia ny hoe ahoana no ahafahan’ny olona tsirairay misitraka araka ny tokony ho izy izay ilainy amin’ny faritra misy azy avy amin’ny lafiny rehetra io? Finiavana politika ihany no hampandroso na inona rafitra eo na inona! Tena manana izany ve ny mpanao politika? Tena hizara ny fahefany ve? Tena hanome hasina ny faritra nihaviany ve? Fahadisoana ny fiheverana fa raha hiala amin’ny rafitra tokana hankany amin’ny fanjakàna federaly isika dia hivadika paradisa tampoka eo i Madagasikara! Jerena na izany aza hoe inona no mety ho lesoka amin’ny fanjakàna tokana ary inona no mety ho tombony? Toy izany koa ireo rafitra hafa. Mila fandinihana lalina ny rafitra tiantsika hitantanana ity firenena ity. Ny tena zava-dehibe dia ny hoe hananantsika ve ny finiavana politika hampandroso ity firenena ity na inona na inona rafitra eo? Samy manana ny fanabeazana politika norantoviny moa io. Ho anay Marxista dia tsotra ny fanazavàna hoe hampirisihina hiady amin’ny kolikoly isika nefa ny karama farany ambany na SMIG mbola 250.000 Ariary no ofisialy. Ny gonim-bary iray 140.000 Ariary. Ny gonina saribao 40.000 Ariary. Aiza ny saram-pianaran’ny mpianatra, ny JIRAMA, ny filàna samihafa. Terenao hiady amin’ny kolikoly nefa ny mpiray tanindrazana ary hatramin’ny toeram-pivoahana ho an’ny daholobe mbola andoavam-bola. Mila vahaolana mifanaraka na «mesure d’accompagnement» izany ny fanapahan-kevitra rehetra, hoy hatrany ny KFIM.
J. Mirija