airtel

Actualités

06-mai-2026

Maitre Michel Le Dragon

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

Sample post image

Nilaza aho ny taona 2022 fa hiverina

06-mai-2026

amin’ny fitondràna i Andry Rajoelina amin’ny taona 2023 satria miaina amin’ny isa 3, hoy ny mpiangaly sy mpikirakira haiady nentim-paharazana sady mpandala fomban-drazana rahateo, Maitre Michel Le Dragon. 33 taona izy, hoy izy, no nilatsaka ben’ny tanàna. Laharana faha 13 no nofidiany tamin’ny nilatsaka filoham-pirenena. Laharana faha 3 no nofidiany ho an’ny kandidàny ny taona 2013. 2023 izy no dikan’izay tsy maintsy mbola hiverina eo. Manana talenta mijery ny hoavy moa ny tena noho izaho mety hoe manaja fomban-drazana sy tsy mihinana ireo fadin-drazana. 2025 hoy aho hisy filoham-panjakàna vaovao ary avy any atsimo. Olona misokatra ny Kolonely Michael. Ny ahy moa Michel koa no anarako. Mpanavotra na «sauveur» no dikan’ny anarana hoe «Mickael»! Ny arkanjely Mickael dia anjely natao hanavotra. Maro ny niainana teto amin’ity firenena ity. Izaho nafarana avy any Antsohihy hanao fampisehoana tamin’ny 26 jona 2023 teto Antananarivo tamin’ny fitondràna teo aloha. 4 volana nandao vady aman-janaka. 37 tapitrisa Iraimbilanja na 7.400.000 Ariary no vola lany. Nampanantenaina aho fa ho averina ny vola kanefa sady tsy nataon’ny fitondràna teo aloha izay no tsy naloha koa izany ny karamako. Rehefa nandeha tany amin’ny minisiteran’ny fiarovana haka ny volako aho dia 20.000 Ariary no azoko tany. Iny no nodiako niaraka tamin’ny alahelo tany Antsohihy sy nahatonga ahy hangiana ary nirary ny mba hahatongavana Mickael eto amin’ity firenena ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

Manohitra, manome 48 ora hanesorana an’i Be-Rija ny mpiasa

Card image cap
07-mai-2026

hampiditra miliara dolara amin'i Madagasikara"

Card image cap
07-mai-2026

Araka ny lalàna tamin’ny 23 Desambra 1901

Card image cap
07-mai-2026

Miantso ny hanomezana alalana feno ny PETROMAD ny FCRTM

Card image cap
07-mai-2026

Matin'ny fitsaram-bahoaka ilay olona iray

Card image cap
07-mai-2026

Tratra nandritra ny hetsika nataon’ny

Card image cap