airtel

Actualités

01-déc-2023

Fahapotehan’Antananarivo

Taratry ny fahasimban’ny Firenena…

Sample post image

Taratry ny fahapotehan’ny firenena ny Renivohitr’i Madagasikara, izay tena miaina

01-déc-2023

ao anatin’ny sy fanjariana maro samihafa. Potika ny làlana, misavovona ny fako, mikorontana ny fifamoivoizana,… Aiza ve ka vao mirotsaka kely ny orana dia miaina tanteraka ao anatin’ny rano maloto ny faritra iva, ny arabe mampidi-doza noho ny fahasimbana noho ny tsy fisian’ny fikojakojana. Efa latsaka any anaty lavaka ny fiara vao taitra ny rehetra hoe : ahoana ity ? raha raisina amin’ny tranga tetsy amin’ny Rotsirotsy Andravoahangy omaly. Tsy vao sambany no nisy tranga tahaka ireny fa efa mpiseho teo Ambodin’i Mascar, Anosy,… Maro ny mety ho antony, ary sokajiana ho samy tompon’andraikitra ny rehetra na ny mpitantana na ny tantanina. Ny olona toa zary zatra gaboraraka ka matetika mandrora mitsilany. Ny mpitondra ihany koa etsy andaniny toa tsy arakaraka ny nahamaika naka fahefana, tsy arakaraka ny fiventesana fa rehefa olon’ny fitondrana foibe no dia handroso amin’izay, hisy ny vola,… Maika fotsiny tamin’ny kajy politika hoe : stratejika be Antananarivo amin’ny fifidianana kanefa aiza izao no niafaran’ny Renivohitra ? Antananarivo izay renivohitr’i Madagasikara aza io no mahazo azy izay toa sady mahantra ara-batana no mahantra ara-tsaina ka manao ahoana ny firenena manontolo ? Moa tsy taratry ny fahapotehana sy fihemoran’ny firenena izao ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap