airtel

Actualités

30-mars-2023

Actualités

Fahatsiarovana ny 29 martsa Nojapiana fandokafan-tena ara-politika indray

Sample post image

Toy ny isan-taona, nisy ny lanonam-panjakana nentina nahatsiarovana ny 29 martsa 1947 daty nanamarika ny tolom-panahafana hialana teo ambany vahoan’ny mpanjanan-tany.

30-mars-2023

Nitarika izany tetsy amin’ny Fasan’ny Maherifo na “Mausolée” Andrainarivo ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay nametraka fehezam-boninkazo, ary nanolotra fanomezana ho an’ireo Bekotromaroholotra, akanga sisa nanamborana tamin’izany. Lanonam-panjakana tsotra no natao teny tamin’ny ankampobeny, ary niazo an’I Moramanga ny tenany avy eo. Raha hazavaina tsotsotra, dia fahatsiarovana ireo namoy ny ainy noho ny tolom-panafahana ny 29 martsa. Ny hoe: fahatsiarovana na “commémoration” indrindra fa noho ny ra latsaka, dia heverina ho andro fisaintsainana lalina fa tsy andro firavoravoana na fitsangatsanganana, ary izany indrindra no isan’ny antony handrarana ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola. Fanamarihana mila tsiahiviny iny, fa tany no nilazan’I Andry Rajoelina fa ny andro androany 29 martsa, dia andro lehibe manan-tantara, ahatsiarovantsika ny tolom-panafahana. “Nisy tolona, nisy ra latsaka, nisy mahery fo, nitaky ny fahaleovantena, tsy nanaiky ny fanjanahana, ka izay asa sy fitiavan-tanindrazana izay no atao fanilo miampita”, hoy I Andry Rajoelina. Notsiahiviny ny lohahevitra ho an’ny fahatsiarovana tamin’ity taona ity dia ny hoe: “Tolom-panafahana, firaisan-kiana ho an’ny fitiavan-tanindrazana”. Nandeha anefa ny kabary politika toa naneho fanenjehana ankolaka ny hafa, ka nilazan-dRajoelina, fa misy milaza fa tia tanindrazana fa misakana ny fampandrosoana, misy milaza fa tia tanindrazana fa ny tenany no jereny,... Ireo nanolotra ny ainy ho an’ny firenena no fitaratra ho antsika, tsy mijery ny tenany fa mijery ny firenena, hoy ity Filoha ankehitriny ity. Toa tsy izay anefa ny sary niseho tany Moramanga, fa toa karazana fety sy kabary politika nirarakopana na “récupération politique” no nisy. Nentina nitanisa ireo ambara fa zava-bita sy nanaratsiana ankolaka ny hafa, toy ny nilazana fa maro no nampanantena, fa maro no tsy nahatanteraka, iray ihany no nahatanteraka, isika no nanomboka izany ary isika no hitokana izany RN44 izany, hotokanana alohan’ny jolay ny hopitaly lehibe, toerana ho an’ny zokiolona, “maison de la retraite”,... Toy ny fahita dia nohararaotina sy nojapiana tamin’ny fizarazarana zavatra toy nyy moto ho an’ireo ben’ny tanàna sy ny kamio ho an’ny kaominina ihany koa omaly tao Moramanga.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap