airtel

Actualités

30-mai-2024

Famahana ny olan’ny solika, JIRAMA…

«Manana orinasa atao hoe Petromine ny indonezianina»

Sample post image

Efa nazavaiko ny 5 aogositra tao amin’ny Radama hotel Isoraka, hoy ny filohan’ny antoko politika Fanare,

30-mai-2024

Andrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis, fa vokatry ny fisamboran’i Andry Rajoelina vola tamin’ireo Indo-pakistanais ireo io trosan’ny JIRAMA io. Ireo, noho izany, hoy izy, no nahazo ny tsenan’ny solika. Izao isika mandoa any amin’ny 800 miliara Ariary, 500 miliara Ariary, izany foana no aloantsika amin’ireo orinasa karàna ireo. Misy mpandinika toekarena milaza fa ny faktioran’ny JIRAMA amin’ny orinasa malagasy dia midangana. Ny an’ny orinasa karàna kely no alohany satria izy ireo no mamatsy vola. Tokony ovaintsika izany raha miaraka amin’i Indonezia isika. Manana orinasa atao hoe Petromine ny indonezianina. Izany no mamatsy solika sy tahaka izany fa rehefa tanteraka ilay nolazaiko ny 31 oktobra tamina fahitalavitra iray hoe andao isika firenena malaio-paolinezianina, izany hoe Madagasikara, Malaizia, Paolinezia hanangana an’io fivondronan’ny firenena malaio-paolinezianina io! Mafilondo moa no anarany tany amin’ny taona 1960. Efa namaly ny antsoko moa ny indonezianina. Nanontany ny mombamomba ahy. Nazavaiko tamin-drizareo hoe efa lehiben’ny firahalahian’i Madagasikara sy Indonezia aho. Raha miaradia toy ny firenena eoropeanina ny firenentsika dia hahavita zavatra goavana be. Izay no anton’ny antson’ny antoko politika Fanare mitady ny fanampiana avy amin’i Indonezia sy Rosia tahaka ny nataon’ny filohan’ny RMDM tamin’i Etazonia. Tsy henatra tsy tahotra ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, any amin’ny nosy manodidina no miteny hoe «Ici c’est la France!». Tsy mitovy amin’iny daholo ny filoha Frantsay. Ny Jeneraly Charles De Gaulle tany Alzeria tsy niteny hoe «Ici c’est la France!» fa nampodiany ny frantsay 4 tapitrisa tany. Izany no olona mendri-piderana. Miady amin’ny mpitondra frantsay aho fa tsy ny firenena frantsay. Sendikalista sy administratera sivily ny tena. Miombona amin’ny fahorian’ny mpiasa any Frantsa. Ny CGT, ny SFDT, ireo migrevy foana isan-taona vao mba mizara amin’ny vondron’ny mpampiasa na «patronnat» ny atao hoe «fruit de la croissance économique». Tsy ny frantsay no iadiana fa ny mpanjanatany mpibodo ny tanintsika. Andry Rajoelina nefa sady efa tsy ekena ho filoham-pirenena satria nandainga. Tsy mendrika ho filohan’ny repoblika malagasy izy no dikan’izany. Tsy tolona fifidianana intsony ity ataon’ny Fanare ity fa tena tolom-bahoaka hatramin’ny farany hanesorana an’i Andry Rajoelina mpandika lalàmpanorenana sady vazaha. Izay no anton’ilay antso amin’ny ankolafin-kery rehetra, hoy hatrany ny antoko politika Fanare.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

Card image cap
07-févr-2025

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

Card image cap
07-févr-2025

Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga

Card image cap
07-févr-2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

Card image cap
06-févr-2025

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

Card image cap
06-févr-2025

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

Card image cap