lapan’Ambohitsorohitra. Toy ny tamin’ny herintaona dia nosokafana mba ho azon’ny rehetra hotsidihana ny lapam-panjakana amin’izao fankalazana ny Noely izao. Satria ny krismasy dia fotoana natao hifampizarana hafaliana, fitiavana sy fanomezana.
Noravahana jiro sy hazavana ny lapa satria natao hitondra fahazavana sy fanantenana izao fety iarahantsika mankalaza izao. Mino sy manantena izahay fa ny jiron’ny krismasy dia hanazava ny tsirairay, hanazava ny fiainantsika ary indrindra hanazava ny fiainam-pirenena ihany koa. », hoy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny sabotsy teo, raha nanokatra izany ofisialy izy sy ny vady aman-janany ny 23 desambra. Haharitra hatramin'ny 7 janoary moa ny firehetan'ny jiro eny Antaninarenina. onga nanokatra izany ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina sy ny vady aman-janany ny 23 desambra 2023.
Ankoatra ny firarian-tsoa, nizara kilalao ho an'ny ankizy, narahana seho an-tsehatra. Misokatra isan’andro ho an'ny rehetra koa ny zaridainan'Ambohijatovo amin'izao vanim-potoan'ny fety izao, ankoatra ny ao Antananinarenina sy ny manoloana ny lapan'ny tanàna Analakely, raha ny fanazavana. Miatrana eny amin'ny toerana ahitana olona maro koa ny mpamonjy voina, ankoatra ireo polisy monisipaly manodidina ny 650 mandrindra ny fifamoivoizana manakaiky ireo toerana ireo. Tsy azo ivezivezen'ny fiara kosa manoloana ny lapan'ny Tanàna Analakely hatramin'ny 2 janoary, manomboka amin'ny 5ora hariva. Ilaina koa ny fitondrana karapanondrom-pirenena mandritra ny fivezivezena, indrindra amin'ny alina, na ho an'ny mponina eto an-toerana na ho an'ny mpivahiny, araka ny fandaminana. Mba mandeha izany ny fampifalifaliana andro fety mba hanadinodinoana ny krizy, delestazy, rano tsisy, sandam-bola midangana,… Mba mifalifaly herinandro tahaka ny tamin’ny propagandy fa ny 5 taona mbola baraingo ?
Toky R
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady