airtel

Actualités

28-mars-2024

Famatsiana herinaratra

Miha zava-doza ny olana, mivadika krizy nasionaly

Sample post image

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

28-mars-2024

tambajotran’ny herinaratra avy amin’ny ENELEC sy ny an’ny Jirama amin’ny alalan’i Toamasina II, ny filazana fa mihena 37MW ny famokarana ao Andekaleka noho ny fahatsentsenan’ny fako,… dia olana be ihany koa ny any Mahajanga izay efa nanaovan’ireo mpisehatra ara-toekerana hetsika am-pilaminana tapa-bolana lasa izay. Amin’izao fotoana izao, nanapa-kevitra ny HFF rantsan’ny orinasa Henri Fraises ny hanatsahatra tanteraka ny fampiodinana ny foibem-pamokarany noho ny toromarika avy amin’ny mpitantana, hoy ny vaovao azo avy any Mahajanga. Manampy trotraka izany, mbola tsy voalaza fa mbola tsy azo sitrahana ny famokarana avy amin’ny milina Rolls-Royce, ary mbola misy fanamboarana ny milina Barbosa an’ny Scada izay vao tafapetraka. Milina roa an’ny Enelec ihany izany no mandeha, ka zara raha 3500KW amin’ny 14500KW ny herinaratra any afaka sitrahana ao Mahajanga. Noho izany, ireo tambajotra mifandray amin’ireo manodina hopitaly sy toeram-pamatsiana solika sisa no tena mandeha, ka ahiana ny vao mainka hampangotraka ny delestazy. Heverina fa tsy olana ara-teknika fotsiny, fa tena olana teknika sy stratejika ary ekonomika goavana, efa lasa krizy nasionaly satria miitatra. Saika ireo toby tsy miankina no mamatsy ny Jirama, kanefa olana ny fandoavana ny volan’ny tsy miankina satria mivarotra fatiantoka, mbola olana ihany koa ny solika fampiodinana ireo milina an’ny Jirama manokana noho ny mety tsy fahampiam-bola ka nampihenana 20% ny fandaniana manerana ny, manampy trotraka ny tsy fahaiza-mitantana,… Heverina fa nananan’ny Minisitry ny angovo ankehitriny tombony nahavoatendry azy ny fahaiza-miresaka amin’ny mpamatsy solika, saingy ny olona ihany koa mila vola, sarotra ny manao « requisition »,… Tsy arakaraka ny volam-panjakana alefa ao fa olana mandavan-taona! Notaterin’ny Banky Iraisam-pirenena tao amin’ny CPF (Cadre de Partenariat Pays) 2023-2027 iarahany amin’I Madagasikara moa, fa tany amin’ny 2009 dia nanana fahamarinan-toerana ara-bola ny Jirama, kanefa niha nitotongana hatrany hatrany. Ny taona 2022 ohatra, dia nahatratra 150 tapitrisa dolara na 604 miliara Ar ny fatiantoka. Isan’ny antony ny varotra fatiantoka 0,11 dolara/Kwh¸1900 GWh. Mahatratra 28% ny fahaverezana ara-teknika. Mba hitazonana ny fahamarinan-toerana ara-bola, mila 100 tapitrisa dolara isan-taona eo ho eo avy amin’ny governemanta ny Jirama, raha mbola amin’io endriny ankehitriny io.

MBOLA MILA EZAKA BE !
Betsaka ireo fampanantenana sy ronono an-tavy nataon’ny Mpitondra Fanjakana fa hatreto, tena tsy tafavoaka ny baolina. Nahoana no nanana ambim-bava sy tombony hatrany amin’ny 64 miliara Ar talohan’ny 2009 fa amin’izao bokan-trosa hatrany amin’ny 2000 miliara Ar na mety mihoatra aza. Zava-dehibe ny firosoana tsikelikely amin’ny angovo azo havaozina, saingy tena mila ezaka be, ary mila hafainganina ireo tetikasa lehibe toy ny any Sahofika sy Volobe, saingy tsikaritra dia kiserasera mipoapoaka toy ilay fampanantenana poakaty tamin’ny 2018 fa hanao 400MW ao ao anatin’ny 5 taona no betsaka. Nisy ny fitanisana hatrany ilay tetikasa fananganana Parcs Solaire 47 izay nambara fa ho vita tsy ho ela, hampiakatra 50MW ny famokarana eto Madagasikara, hampihena 18 tapitrisa litatra ny fampiasana solika, hampihena 90 miliara Ar ny fividianana solika,… Zava-dehibe io saingy tsy tena mbola hitany izany 50MW izany raha jerena amin’ny zava-misy ankehitriny. Tsy maniry loza, fa raha izao sary mitranga ankehitriny izao, ahiana hangotraka ny afaka 2 na 3 volana ho avy fa dia takotakonana amin’ny serasera sy vahaolana « tip top » eo ?
Toky R

Legende: Efa nisy moa omaly ny fametrahana sora-baventy nataon’ireo mpiasa teny amin’ny Foiben’ny Jirama sy teny amin’ny Mandrososeza hoe: “Mitaky Tale Jeneraly maika ny Jirama”

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap