sady Minisitry ny Faritra ampitan-dranomasina, Manuel Valls, mikasika ny fametrahana toby miaramila an-dranomasina sy ny Kaomandin’ny zandary frantsay ao amin’ny nosy komorianana Mayotte ny Firenena Kaomorianina, araka ny fanambarana nataon’izy ireo ny sabotsy 15 martsa teo tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Nilaza fa manameloka tanteraka ny votoaty sy ny hevitra entin’ny fanambarana Frantsay, izay heverin’izy ireo ho fandikan-dalàna manohitra ny Zo iraisam-pirenena, ary manohitra ihany koa ny fifanarahana nifanaovan’ny Vondron’ny Nosy Komoro sy ny Repoblika frantsay, izay nanambara fa fifampidinihana no tokony ho làlana hizorana amin’ny famahana ny disadisa misy momba io nosy io. Io fanambarana tsy nampoizina io dia manaitra, indrindra amin’izao fotoana izay mila fanarenana sy fiahiana izao i Mayotte, taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Chido izay nandrava tanteraka io faritra io, hoy hatrany ny Kaomirianina. Ny Vondron’ny Nosy Komoro, izay manomana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantenany mbola tsy tanteraka, dia mangataka amin’ny Frantsa mba handà amin’ity tetikasa ity, amin’ny alalan’ny vahaolana milamina ho an’ny raharaha Mayotte, ka hanajana ny zo iraisam-pirenena sy hitsinjovana ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra atsimo-andrefan’ny Ranomasimbe Indianina, hoy ry zareo Kaomorianina. Marihina fa ifanolanan’i Comores sy Frantsa i Mayotte izay mbola anatin’ny Vondron’ny Nosy Comores raha ny ady sy fitakiana nataon’izy ireo hatramin’izay, saingy lasa departemanta Frantsay. Miezaka miady ry zareo Kaomorianina, raha kabary politika nentina nakana vato tamin’ny fifidianana kosa ny antsika ny mikasika ny Iles Eparses izay efa nametrahan’ny Frantsay tafika sy namoahany volavolan-dalàna ho tahiry ara-boajanahariny.
Toky R
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady