airtel

Actualités

13-déc-2024

Fampahafantarana momba ny mpahay raharaham-pitsaràna

Toamasina indray no tetezina manaraka

Sample post image

Ny 29 novambra teo izahay no nahatontosa ny fivoriambe fanaonay isan-taona, hoy ny filohan’ny CAREA

13-déc-2024

na «Compagnie des arbitres rapporteurs experts agrées près les cours et tribunaux de Madagascar», Guillaume Rabetsimamanga. Isan-taona izahay, hoy izy, manao an’io fivoriambe io fa isaky ny 3 taona kosa ny fivoriana fanovàna birao. Ny mpahay na «expert» dia miara-miasa akaiky amin’ny tribonaly eto Madagasikara. Miisa 54 izahay ary misy fahaizana manokana na «spécialité» miisa 21 ao anatiny. Isany ny resaka fananan-tany na «domaine», ny trano na «bâtiment», tontolo iainana, tenim-pirenena, sambo, «Graphologie» sy ny maro samihafa. Nanamarika ny fihaonana koa ny fanomezana fampianarana tsotsotra ho an’ny mpikamban’ny CAREA satria misy ny tena efa mahay lalàna fa misy ny mbola sadaikatra kokoa amin’izay lafiny izay na ny voambolana ampiasaina. Nisy, noho izany, ny fampianarana kely momba ny dingana na «procédure» miainga amin’ny ambaratonga voalohany, ambaratonga ambony, hatrany amin’ny fanafoanana didy. Hatrany amin’ny hoe «PIL» koa aza. Ny ambaratonga rehetra no nazavaina sy nampianarina tamin’io fotoana io. Miisa 3 lehibe ny vina tratrarin’ny CAREA amin’io taona 2023 io. Ho tohizanay ny fitetezam-paritra toy izay efa natao tany Fianarantsoa ny taona 2023. Toamasina indray no tetezina manaraka amin’ity satria tena zava-dehibe aminay ny fampahafantarana ny asan’izany CAREA izany sy ireo mpahay na «experts» satria be dia be no mbola tsy mahalala. Tsy maintsy ho vitaina ny «manuel d’experts», izay boky kely iray manazava ny asan’ny mpahay tsirairay avy. Efa nisy ny atrikasa niaraka tamin’ny mpisolovava. Ny atrikasa iarahana amin’ny mpitsara indray no kasaina izao. Manana fanontaniana apetraka amin’ny mpitsara ny mpahay ary ny mpitsara koa manana fanontaniana apetraka amin’ny mpahay. Ny lalàna no nametraka anay sy mifehy anay ary io ihany no arahanay. Ny resaka kolikoly, noho izany, dia tsy manara-dalàna ka tsy ekenay «experts» na mpahay. Tolon’ny CAREA ankehitriny ny hoe raha misy raharaham-pitsaràna ilàna mpahay dia tokony manendry mpahay ny fitsaràna. Misy fotoana misy raharaha tokony ilàna anay nefa mahagaga fa tsy voatendry izahay. Tokony tsy hanendry mpahay raharaham-pitsaràna ivelan’ny tabilaonay ny fitsaràna raha misy raharaha iray mitranga! Nitranga, ohatra, ny raharaha iray nilàna mpandika teny amin’ny teny anglisy. Nilaza ilay miady ara-pitsaràna eo hoe efa nitondra mpahay izy. Mpahay izay tsy anatin’ny CAREA io. Lasa nody, noho izany, ny mpahay mikambana ao aminay tamin’izay. Tsy ekena izany. Betsaka ny antony mampitarazoka ny raharaham-pitsaràna iray, izay tsy voatery ho anjaranay ny manazàva azy, fa raha ny resaka fahaizana na «expertise» kosa dia indraindray io misy ambaratonga maromaro mifanohitra na hoe «expertise» sy «contre – expertise». Mbola misy manao «3e contre – expertise» koa aza. Io farany io tena tsy tokony ho ekena satria ilay 2 voalohany dia efa ahafahana mitsara hoe ity no marina na diso. Be dia be no mbola mety hitranga fa hoavy moa ilay atrikasa, hoy hatrany ny CAREA.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap