airtel

Actualités

04-févr-2026

Fampiasana ankizy tsy ampy taona

Mbola mampanahy ny toe-draharaha eto Madagasikara

Sample post image

Manamafy firaha-mientana

04-févr-2026

hiadiana amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona ny Sampan-draharaha iraisam-pirenena misahana ny zon’ny ankizy sy ny vehivavy na ny UNICEF miaraka amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT). Endrika hitondrana an’io ny « Carton Rouge » na « Karatra mena amin’ny fampiasana ankizy. Ity hetsika ity dia mandefa hafatra mazava sy hentitra: manan-jo ho voaaro, ho afaka hianatra ary hanana hoavy mendrika ny ankizy tsirairay. Voalaza hatrany fa mbola mampanahy ny toe-draharaha eto Madagasikara. 47 %n’ny ankizy eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 17 taona no miasa, matetika amin’ny toe-javatra mampidi-doza sy tsy mifanaraka amin’ny taonany ary manimba ny fivoarany ara-pahasalamana. Ny faritra Haute Matsiatra (65%) sy Androy (62%) no tena voakasika, araka ny antontan-kevitra MICS 2018, hoy ny fampahalalam-baovao izay omaly. Miantso ny UNICEF sy ny OIT ny hisian’ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hanamafisana ny fiarovana ny ankizy, hiantohana ny fidirana amin’ny fanabeazana tsara kalitao, hisorohana sy hanafoanana ny asa an-tselika ataon’ny ankizy, ary hampihetsika ny mpisehatra rehetra tsy ankanavaka. Amin’ny alalan’ny fananganana an’ilay karatramena ho mariky ny fanoherana, dia manamafy indray ireo fikambanana roa ireo ny fahavononany hilaza hoe STOP amin’ny asa an-tselika ataon’ny ankizy, ary manambara fa ny fiaraha-mientana ihany no hahafahana manome hoavy mendrika ho an’ny ankizy tsirairay. Na izany aza, betsaka ny ezaka ara-toekarena, ara-piarahamonina, ara-pampianarana,… mba hahafahana mampihena ny fampiasana ny ankizy tsy ampy taona fa tsy vitan’ny famoahana karatra mena fotsiny !
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap