sy ny asa tanana nosoloin-dRAKOTONIAINA Yves Maurice Sekretera Jeneraly, sy ny ONG Tourisme Sans Frontières notarihin’ny Filohany DUMOULIN Marc omaly alakamisy 23 janoary 2024. Fiaraha-miasa mikendry ny hampiroborobo ny fizahantany sy ny asa tanana eto Madagasikara, amin'ny alalan'ny fandraisana anjara avy amin'ireo matihanina sy ny vondrom-piarahamonina ifotony mandritra ny roa taona. Hanao tan-tsoroka an’ireo vondrom-piarahamonina ny ONG amin'ny alalan’ny :fikarakara drafitra fandrosoana ho an’ny fizahantany, Fampiofanana ireo tompon'andraikitra amin’ny fizahantany eny anivon’ny faritra sy ireo mpikarakara ny fizahantana ;fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo matihanina ao amin'ny sehatry ny hotely sy sakafo ; fanampiana amin'ny famoronana mari-pankasitrahana ho an'ny sehatry ny raphia; fanamboarana sy fampiroboroboana ny sehatry ny asa tanana. Andraikitry ny Minisitera ao anatin’izany kosa ny fanamorana ny fanatanterahana iraka ifotony miaraka amin’ny mpiara-miombon'antoka avy amin’ny ONG, fanohanana ny dia amin'ny tetikasa stratejika, famporisihana ireo manam-pahefana eny ifotony, ny mpandraharaha amin’ny fizahantany, ary ireo mpanao asa tanana amin’ny fanatanterahana.
Toky R
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira