izay nisiana fitifirana vahoaka nahafatesana olona manodidina ny 30, ary naharatrana maro ny 29 aogositra lasa teo. Soso-kevitra niainga avy amin’ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa izay voafidy tany amin’ny distrikan’Ikongo sady Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena io. Somary nangingina moa ny tohin’ity raharaha ity, izay niteraka adihevitra samihafa. Io depioten’Ikongo io izay efa nilaza ankarihary fa tsy fiarovan-tena intsony ireny, fa vono moka. Nisy mihitsy aza ny filazany izay voalaza fa niainga tamin’ireo nanatri-maso, fa dia nafindra fa taorian’ny nitifirana vahoaka vao nafindra toerana ny tady mamaritra ny faritra mena. Tahaka izany ihany koa ny hoe: nisiana manamboninahitra ambony nanome baiko hoe: “tonga dia rafaleo”,… Marihina fa manamboninahitra ambony avy amin’ny polisim-pirenena Atoa Brunelle Razafitsiandraofa ankoatra ny maha depiote azy. Tetsy ankilany, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Serge Gellé dia efa naneho tetsy ankilany fa nanaraka ny antanan-tohatra sy ny voalazan’ny lalàna misy ny mpitandro ny filaminana. Naneho fa namerina ny filaminana sy niaro ny borigady izay misy fitaovam-piadiana sy ireo olona notazoninana izay nahiana ho nanao asa ratsy ny zandary. Na izany aza, navelan’ny zandary teo ihany ny toby rehefa vita ny fitifirana, ary tsy fantatra intsony ny niafaran’ireo olona notazonina, izay voalaza fa votsotra. Teo ihany koa ny nilazan’ny SEG fa tsy ny zandary irery no nitifitra fa nisy polisy naka sy nampiasa basin’ny zandary,… Mbola antenaina ho lasa lavitra ve ity raharaha ity sa hitohy hangina sy hatory tanteraka? Tetsy ankilany, toa lasa fifamaliana ankolaka teo amin’ny SEG sy ny depiote Brunelle ny resaka tontolon’ny mpitandro filaminana. Ity depiote ity nilaza fa tokony hofoanana ny zandarimaria, ny andaniny namaly ankolaka hoe: alefaso ary ny tolo-dalàna manafoana azy raha izany.
Toky R
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady