airtel

Actualités

19-mars-2024

Fanafainganana ny pasipaoron’ny diaspora

Hovitaina 1 volana raha 6 volana teo aloha…

Sample post image

Manamafy ny mpitondra fa ho vita ao anatin’ny iray volana amin’izao fotoana izao ny

19-mars-2024

fangalana pasipaoro ho an’ireo diaspora Malagasy, raha manodidina ny 6 volana hatramin’izay. Tanteraka io noho ny fametrahana ivon-toerana hiraketana ara-biometrika ireo olom-pirenena mila an’izany. Eo anivon’ny Ambasadaoro any Paris, napetraka fanafainganana ny dingana hahafahana manamora ireo pitsopitsopitsony, ka pasipaoro maherin’ny 400 no voalaza fa nozaraina nandritra ny volana janoary. Teo aloha, raha 15 isan’andro eo ny pasipaoro vita, dia niakatra manodidina ny avo roa heny, eo amin’ny 25 isan’andro. Hatreto, manodidina ny 140 000 eo ireo teratany Malagasy mila ravinahitra any ivelany voaisa, ka ny 85% amin’ireo dia monina any amin’ny manodidina an’i Frantsa, raha ny antontan’isan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny. Zava-dehibe ny fiezahana hamaha sy hanafaingana ny taratasy tahaka itony, mba hanalefahana ny fahasarotana ara-panjakana. Betsaka ireo zavatra tena mila hanaovana tahaka izany, eny fa na ny karapanondrom-pirenena aza dia tokony hampanarahana ny teknolojia, toy ny hoe : havadika ho biometrika, ka iny ihany no ampiasaina amin’ny lafin-javatra maro toy ny fifidianana, fa tsy isan-taona izao dia handeha hanonta kara-pifidianana handaniana vola tsy toko tsy forohana isaky ny miodina. Tahaka izany ihany koa ny raharaha taratasin-tany izay lasa raharaha mibahan-toerana eny anivon’ny fitsarana hoe : izay midika fa mila fanafainganana sy fanamorana ara-panjakana samihafa. Io izay efa nisy fiaraha-niasa tamin’ny MCI (Millenium Challenge Account) talohan’ny raharaha fanonganam-panjakana 2009, izay mety voka-dratsin’izany izao ady tany mameno ny firenena ankehitriny izao.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

20-août-2026

Taorian’ny tolona mamaivay

Card image cap
20-août-2026

Miverina miaina ny fitrandrahana Kraomita

Card image cap