airtel

Actualités

19-déc-2024

Fanamboaran-dalana ankatoky ny fety

Voasembatsembana ny fifamoivoizana eny Cenam 67 ha, Ampefiloha

Sample post image

Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.

19-déc-2024

Ny antony dia misy ampahan-dalana amboarina ka vaosembatsembana noho izay ny fifamoivoizana. Raha lalana vita tao anatin’ny 25 minitra lasa 1 ora sy sasany vao tafavoaka ao indrindra rehefa vao maraina sy ilay amin’ny hariva iny , izany hoe amin’ny maha betsaka ny andeha mianatra sy miasa sy ny mody na amin’ny « heure de pointe ».
Tena ilaina ny fanamboaran-dalana, fa ilay ny mahagaga hoy ny mponina eny amin’ny manodidina sy ampiasa iny lalana iny dia efa hatrany amin’ny fiandohan’ny taona anie no hita hoe io fa misy lavaka manomboka miforona, nahoana no aty amin’ny volana novambra sy desambra vao raikitra ny fanamboarana ; eny fa na dia atao aza hoe mbola namoaka tolobidy sy nanaraka ny fepetra takiana amin’ny asam-panjakana dia ho 11 volana aty aoriana ve vao manomboka ny asa ? Sa tafiditra amin’ilay sehoseho amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana indray ilay izy ? Etsy ankilan’izay ny tena mahagaga dia vao herintaona lasa izay no nasiam-panamboarana ilay lalana miainga eo Andavamamba mankany Isotry, mandalo an’Andranomanalina, izany hoe ilay eo ampitan’ny Cenam io. Ka inona moa ny antony tsy nampiarahana ny fanamborana tamin’izany.
Ankehitriny efa tena iaraha-mahalala ny fahamaroan’ny olona , posy, sarety, fiara mifamezivezy rehefa volana desambra tahaka izao dia mbola ampiana fanapahana lalana indray, zava-doza ilay tohamboivoy , misy akony any amin’ny fianarana sy ny asa.
Legende : Nofy ratsy isan’andro ny an’ireo mpandeha taxibe eny 67ha eny satria maro be ireo fiara miodinaam-pandehanana.(Sary nindramina)
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

17-juin-2025

Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry

Card image cap
17-juin-2025

Olona am-polony ny namoy ny ainy vokatry ny fahapoizana ara-tsakafo tamin’ny

Card image cap
16-juin-2025

Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka

Card image cap
16-juin-2025

Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry

Card image cap
16-juin-2025

Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,

Card image cap
16-juin-2025

Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.

Card image cap