nateraky ny delestazy ny faran’ny herinandro teo, ankoatra ireo hafa efa nirotaka nialohan’izay. Nidina an-dalambe ny vahoaka tetsy Ankazomanga ny sabotsy takariva. Omaly, nangotraka ihany koa ny fihetsiketsehan’ny vahoaka teny Anosibe, nanoloana ny farmasia Volahanta. Tena nirotaka ny olona, voasakana tanteraka ny arabe,… Asa na mety nisy te hanararaotra sy handoto ny fihetsiketsehana ihany koa na fanehoana fahatezerana, fa tonga hatrany amin’ny famotehana na fikasana hamotika fananan’olona, toy ny fiara mandalo. Tena nirohotra sy nientana ny olona naneho fa tsy zaka sy tsy azo leferina intsony ny fahatapahana lava. Tonga hatrany amin’ny hoe : « Leo Rajoelina », « Tsy mila Rajoelina »,… Taloha raha adin’ny roa hatramin’ny adin’ny efatra ny fahatapahana dia izao zary ny lasa ora handehanan’ny jiro sisa, hoy ny olom-pirenena. Zary lasa raisin’ny mpanara-baovao hanaovana fampitahana hoe : ny any Iran sy Israely aza misy daroka baomba fa mandeha ihany ny jiro. Anisan’ny voa anefa ireo toerana stratejika toy ny famokarana herinaratra. Ny eto amintsika kosa tsy ny olana no vahana fa Emmo-reg hamoritra vahoaka no alefa. Tena mirotsaka ny olona, tsy miandry mpitarika politika, tsy azo soketaina ho asa fanakorontanana,…fa tena fahasosorana ary ny faritra iva izay lalaovina hatrany ara-politika no tena mafana. Nialohan’izao, efa nirotsaka ny vahoaka tetsy Ampasapito vao ny zoma taorian’ny ny teny Tanjombato, Fenoarivo, Manarintsoa Isotry, ny tany Imeritsiatosika izay nanome fe-potoana 72ora,… fa toa tsy rototra ny mpitondra, izay zary fanaboriboriana resaka aza no betsaka, toy ny loholona iray izay nilaza fa tsy mila midina an-dalambe intsony hono izy fa efa afaka manao « interpellation » kanefa tamin’ny fitondrana teo aloha nodradradraina fa « zo fototra ny midina an-dalambe »,… Dia inona no vitany sy ny vokany ? Moa tsy zary lasa fanompana vahoaka ankolaka ?
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»