airtel

Actualités

17-avril-2026

Zaza Ramandimbiarison

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

Sample post image

ivelany mafy tsy voafehintsika»

17-avril-2026

Miankina tanteraka amin’ny solika avy any ivelany i Madagasikara, hoy ny praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison. Noho ny ady any Moyen-Orient, hoy izy, tsy azo ihodivirana ny fiakaran’ny vidin-tsolika eto an-toerana. Hiakatra ny saran-dalana, ny vidin’entana, hitombo ny fandaniana amin’ny famokarana, na eny ambanivohitra na an-tanàn-dehibe. Hihamafy ny fiakaran’ny vidim-piainana, ary tsy hisy intsony ny fahefa-mividin’ny vahoaka, izay efa marefo tanteraka. Tsy krizy tsotra ity fa dona ivelany mafy tsy voafehintsika. Krizin’angovo, fidangan’ny vidim-piainana, fitomboan’ny fihenjanana ara-tsosialy, fitotongan’ny toekarena. Efa nambaran’ny governemanta ny “hamehana ara-angovo” kanefa ny zava-misy dia mitaky fanapahan-kevitra mazava sy sahy. Raha miakatra ny vidin-tsolika, tsy maintsy mandray andraikitra ny fanjakàna hisorohana ny fipoahan’ny krizy ara-tsosialy. Midika izany fa tsy maintsy misy fanohanana na «subvention» vonjimaika na dia hampitombo ny fatiantoka ara-bola aza izany. Tsy safidy mora fa andraikitra tsy azo ialàna. Fa eto no tena fitsapàna ny fahavononana sy ny fahasahiana hanova marina amin’izao vanim-potoanan’ny “refondation” na fanorenana izao. Aiza no hitadiavana ny vola? Izao no lalana. Tsy azo ekena intsony ny fandaniana tsy ilaina! Karama mihoa-pampana tsy misy antony mazava, tambin-karama sy solika tafahoatra tsy aradrariny sady tsy laharam-pahamehana, ny fandehanana any ivelany na anatiny ary ireo rafitra mpanjakana tsy mitondra vokatra mivantana ho an’ny vahoaka, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny “refondation” izao. Amin’ny fotoan-tsarotra, tsy maintsy atao mazava ny vola rehetra dia tokony hampiasaina ho an’ny tena ilain’ny vahoaka anio. Ny “refondation” dia tsy teny fotsiny. Raha tena misy izy, dia tokony hiseho amin’ny safidy henjana sy marina; fametrahana ny tombontsoam-bahoaka ambonin’ny tombontsoa manokana. Amin’izao krizy lalovana izao dia tokony hiseho ny marina; na fanjakana miaro vahoaka, na rafitra miaro tombontsoa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap