airtel

Actualités

17-avril-2026

Fiaraha-miasa

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

Sample post image

hanaraha-maso ireo faritra arovana

17-avril-2026

Nanamafy fiaraha-miasa ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny Durrel wildlife Conservation Trust amin’ny fiarovana ny harena voajanahary eto Madagasikara. Nivoitra io nandritra ny fihaonana teo amin’ny Minisitra Andriatsihala Nolave Luck Aristide, tao Antsahavola, sy ny delegasiona avy amin'ny Durrell Madagascar , notarihin'ny Tale. Noresahana nandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny fampiasana ny teknolojia vaovao toa ny “drones” amin’ny fanaraha-maso ny faritra arovana, sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra eny ifotony amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajantion y. Nanomboka ny taona 1986 no nisehatra tamin’ny fiarovana ny harena voajanahary teto Madagasikara nyDurrel wildlife Conservation Trust . Nifantoka manokana tamin’ny fiarovana ireo karazam-biby sy zavamaniry atahorana ho lany tamingana sy ny fiarovana ny toeram-ponenan’izy ireo ny asa tanterahiny amin’ny alalan’ny fametrahana tetikasa maro toa ny "Agriculture climato-intelligente", ny fampiroboroboana ny asa miteraka vola, ary ny fanohanana ny mponina eny ifotony.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

Manohitra, manome 48 ora hanesorana an’i Be-Rija ny mpiasa

Card image cap
07-mai-2026

hampiditra miliara dolara amin'i Madagasikara"

Card image cap
07-mai-2026

Araka ny lalàna tamin’ny 23 Desambra 1901

Card image cap
07-mai-2026

Miantso ny hanomezana alalana feno ny PETROMAD ny FCRTM

Card image cap
07-mai-2026

Matin'ny fitsaram-bahoaka ilay olona iray

Card image cap
07-mai-2026

Tratra nandritra ny hetsika nataon’ny

Card image cap