airtel

Actualités

17-avril-2026

FAMPANDROSOANA

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

Sample post image

Nofoanana tamin’ny taona 1973

17-avril-2026

ny lalana laharana 62-076 natao ny taona 1962 momba ny fanomezana tetibola ny faritany, io ilay hoe « budget provincial ».Nanomboka teo ny fampivangongoana ny fahefana tany amin’ny fitondrana foibe teto Madagasikara.Nofoanan’ny fitondrana tetezamita notantanan’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa izy io satria zara raha ny 7% n’ny fandanian’ny faritany sisa no vitan’ilay « budget provincial ».Ny hetra isan-dahy sy ny hetra alaina amin’ny omby no loharanombola lehibe indrindra namatsy ny kitapom-bolan’ny faritany tamin’izany fotoana. Nofoanana ireo hetra ireo ny 1 janoary 1973 dia nihanjahanja teo ny tetibolan’ny faritany.Ankehitriny dia manana ny tetibolany manokana ny faritra sy ny kaominina saingy tena mbola miankin-doha amin’ny famoaham-bola avy amin’ny fitondrana foibe.
FAHALEOVANTENA ARA-BOLA
Mipetraka ny fanontaniana : azo eritreretina ve ankehitiny amin’izao firosoana amin’ny fanavaozana ny repoblika izao ny fanomezana tetibola ho an’ny Faritra sy ny Faritany mba hahatomombana araka ny tokony ho izy ilay fitsinjaram-pahefana ? Ny tsikaritra mantsy hatreto aloha dia notezaina hiankin-doha amin’ny fitondrana foibe ny farira rehetra, tsy misy tena hoe mahavita tena sy mamelon-tena fa na sonia na fanapahan-kevitra, indrindra fa ny vola dia mila ny foibe hatrany. Maro ny teknisiana sy manampahaizana momba ny fitantanam-bola eto, ny resaka fampidiran-ketra, ny resaka toekarena. Tsy tokony ho olana ny fanomezana fahaleovantena ara-bola ny faritra na ny faritany. Mazava ho azy tsy maintsy misy ny rafitra mpanara-maso araka izay fepetra sy lalana apetraka eo. Tsy maintsy jerena ny vokatra , atao ny tomban’ezaka,ahitsy izay tokony ahitsy,Tsy maitsy misy ny fiaraha-miasa sy fifanampiana.
Sarotra mantsy ny hieritreritra fampandrosoana isam-paritra izany raha mbola any amin’ny fitondrana foibe ny 90% n’ny tetibola, na ny fandefasana vola fotsiny aza dia efa olana, mbola eo ny kipitsopitsony ara-taratasy sy ny hoe miandry sonia. Andraikitry ny fitondrana foibe kosa anefa no mijery hoe araka ny tokony ho izy, ara-drariny ve ilay tetibola, mety misy ny faitra mbola mila fanohanana manokana aloha, ao ireo mety tonga dia mahavelo-tena haingana satria ampy ny volatra sy ny orinasa ao aminy, ohatra.Tsy tokony hijanona ho kabary sy nofinofy ny fampandrosoana isam-paritra fa tanterahina amin’ny alalan’ny asa arahana paikady mazava tsara.
RTT

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap
17-avril-2026

Mampigadra 1 ka hatramin’ny

Card image cap