Nitarika an’io mazava ho azy ny Filoha, natrehin’ny Praiminisitra sy ireo Minisitra vitsivitsy. Nolaniana nandritra io ny volavolan-dalàna vaovao mifehy ny kitapom-bolam-panjakana, hanolo ny lalàna efa tranainy (Didy hitsivolana laharana faha-62-075 tamin’ny 29 septambra 1962), izay tsy mifanaraka intsony amin’ny fivoaran’ny toe-karena, ny teknolojia ary ny rafitra ankehitriny, raha ny filazan’ny Fanjakana. Nolazaina fa tanjona amin’ity volavolan-dalàna vaovao ity ny fanavaozana tanteraka ny rafitra ara-dalana momba ny fitantanam-bolam-panjakana. Kendrena ihany koa ny hampifanaraka azy amin’ny fenitra iraisam-pirenena sy ny fomba fanao manara-penitra, ary indrindra indrindra ny fametrahana rafitra mazava ahafahana mandrindra tsara kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ireo andrim-panjakana rehetra voakasika. Voalaza fa nisitraka fanohanana ara-teknika avy amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) ny famolavolana ity lalàna ity. Nisy koa ny fifampidinihana niarahana tamin’ireo rafitra lehibe eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Vola, ny Banky Foiben’i Madagasikara, ary ny Fitsarana manokana misahana ny kaontim-panjakana (Cours des comptes). Ankoatra izany, anisan’ny fepetra takiana hahafahana manohy sy misitraka famatsiam-bola ao anatin’ny fandaharan’asa FEC sy FRD iarahana amin’ny FMI amin’ny taona 2025 ihany koa ity volavolan-dalàna vaovao ity. Midika ary maneho sy manamafy, fa tsy mahomby ny politika ara-bolan’i Madagasikara, poakaty ny filazana tany amin’ny 2018 fa tsy mila ireo mpamatsy vola mahazatra izay tsy hampandroso na amin’ny 2060 aza,… Kofona tanteraka ny fitondrana, tsy misy vola, ka tsy maintsy mandadilady amin’ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena, hany ka tahaka ny efa eo ambany fitantanan’ireo rafitra ireo i Madagasikara.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»