lanonana fankalazana tsingerintaona nahaterahana ny sabotsy teo. Tao amina toeram-pilanonana iray mialohan'ny hiakatra an'i Imerikasinina no niseho ity zava-doza ity. Olona ny 50 teo ho eo no namonjy fety « anniversaire » ny sabotsy 14 jona alina izy ireo, izay vondrona mpianatra avy amin'ny sekoly ambony iray ny ankamaroany. Misy moa ny fanamarihana fa nitondra mpikarakara sakafony manokana avy any ivelany ireo tompom-pety, fa tsy ny toeram-pilanonana no nikarakara izany. Rehefa nandray sakafo, vetivety teo, narary ny iray tamin’ireo mpanotrona ka voatery nentina haingana namonjy ny Hopitaly HJRA. Tsy tonga teny anefa dia tsy tana ny ainy. Maromaro avy eo no voalaza fa nitaraina fa tsy mahita tampoka ny maso, fanina,... Nifamonjena nentina namonjy toeram-pitsaboana avokoa, ka miisa 39 ireo noraisin'ny HJRA an-tanana. 12 ireo namoy ny ainy raha ny tatitra ofisialin'io hopitaly io, ka ny 9 maty tao an-toerana ary 3 tany ivelany. Haingana dia haingana ny fiantraikan'ny fahavoazan'ireo lasibatra. Niparitaka ny filazana fa tafakatra 30 ireo namoy ny ainy, saingy tsy voamarina.
TANORA VAO EROTRERONY NY ANKAMAROANY
Anisan'ny maty ny tompon'ny tsingerin-taona, izay fiara no fanomezana azony raha ny vaovao niparitaka. Tsy iza io fa i Kael Rasoanaivo na i " Dj Keka sushi", zanaky Coach Titi Rasoanaivo fantatra amin'ny tontolon'ny baolina kitra. Tsy maty araka ny resaka niparitaka ny tompon’ny Espace fa ny zanany iray izay isan’ny voahasa, ary ny zanany iray kosa mbola manaraka fitsaboana. Nakaton’ny Minisiteran’ny fizahantany ity toeram-pilanonana ity, izay nambara fa tsy manana fahazoan-dalana. Isan’ny manaraka fitsaboana ihany koa Ilay traiteur amin’izao fotoana izao, fa tsy maty araka ny resaka niely. Nisy tamin’ireo lasibatra no namoy zanaka 4 be izao, nisy 2 vavy mpiray tampo samy namoy ny ainy,.... Manodidina ny 20 hatramin’ny 30 ny salan-taonan’ireo maty, ka anisany i Ste Fy (Ravaka) mbola nanao story tamin’ny tambajotran-tserasera18 ora talohan’ny tranga, ary mbola namoaka hoe : « Jesosy a ! Mba sitrano izahay ! », Djyan Tommy Lee, Kael Rasoanaivo,…Tena anaty fahasarotana na "Etat critique" avokoa ireo manaraka fitsaboana ary sarotra ny fitsaboana, raha ny tatitra ofisialy. Olona 3 monja izay tsy nihinanana tamin'ny sakafo ihany no voalaza fa tsy naninona, ka anisany ny lehilahy vao erotrerony izay nilaza fa mamo nialohan’ny fotoana, ka izay no naha avotra azy. Nijery ny zava-misy teny an-toerana ny avy ao amin’ny Minisiteran'ny Fahasalamana. Manohy ny fanadihadiana kosa ny Zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny fari-piadidiana Antananarivo.
FAHAPOIZINANA SA FANAPOIZINANA?
Andrasana ny tatitra ofisialy mikasika ny tena fototry ny fahapoizinana na sanatria fanapoizinana na famosaviana niniana natao no nitranga. Ny fanadihadiana samihafa, ny fitsirihana ny razana na "autopsie" no hamaly izany. Miahiahy ny havan'ireo maty fa fanapoizinana (empoisonnement) no niseho fa tsy fahapoizinana ara-tsakafo na "intoxication alimentaire". Ny fanadihadiana samihafa moa no hamaly hoe: inona marina ny tao ambadika. Raha fahapoizinana ara-tsakafo, ny toe-javatra tahaka itony no manamafy fa tena ilaina ny fahamailoana sy fikarakarana matihanina amin'ny resaka fikarakarana sakafo amin'ny fety aman-danonana, eny fa na ny sakafo andavanandro aza. Eo ihany koa ny resaka fanarahan'ny Fanjakana maso ny varotra sy fanjifana, ny lafiny ara-pahasalamana. Betsaka rahateo ireo sakafo toy ny am-by fotsy miparitaka gaboraraka eto amintsika. Na io resaka delestazy tsy voavaha io aza dia efa zava-doza mampivadika ireo sakafo toy ny hazan-dranomasina,... Mirary fionanana feno ho an'ireo fianakaviana namoy havana, mirary fahasalamana ho an'ireo manaraka fitsaboana isika ary mirary ny hivoahan’ny marina sy ny rariny manodidina ity toe-draharaha ity isika eto amin'ny Tia Tanindrazana.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»