Vola 500 Euros miisa ireto saron’ny saron'ny zandarimariam-pirenena misahana ny seranana iraisam-pirenena Ivato afak’omaly 02 mey rehefa saika hatakalo tao anaty seranana sy nentina nisolokiana. Miisa 5 ireo niray tsikombakomba tamin’izany izay fantatra fa efa natolotra ny fitsarana ary efa maka saina eny amin’ny fonjaben’Antanimora avokoa. Vehivavy miisa roa kosa no mbola karohina fatratra hatramin’ny omaly hariva nahazoanay ny vaovao izay fantatra fa anisan’ny ati-doha tamin’ny fiketrehana ireo fitaovana nanatontana ireo Euro sandoka ireo….Eto Antananarivo renivohitra izy ireo raha araka ny fantatra ary efa tena be ati-doha amin’izany mihitsy. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha. Tokony ho mailo ihany ireo Malagasy mikirakira Euro eto amintsika noho izany fa efa misy sandoka koa izy ireny.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa misy sandoka koa izao ny Euro
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady