airtel

Actualités

05-janv-2024

Fandrahonana mpanao gazety

Nomelohin’ny depioten’i Sambava Ramilison Ange Richard

Sample post image

Manameloka ny fandrahonana ho faty ny mpanao gazety ny

05-janv-2024

depioten’i Madagasikara voafidy tao Sambava Atoa Ramilison Ange Richard, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nambarany fa mampalahelo ny zava-misy eto Madagasikara tato ho ato amin’ny ny fanaovana tsontsinona ny mpanao gazety, indrindra ny fandrahonana azy ireo amin'ny fanaovana ny asany. « Koa eto aho milaza manoloana ny fandrahonana ho faty ny mpanao Marino eto Sambava fa manameloka 100% izay antsojay izay, ary vonona izaho handray andraikitra fa tsy maintsy henjehina izay nahavita izany zavatra izany ho atolotra ho an'ny tompinandraikitra », hoy ny depiote Ramilison Ange Richard. Nampahery ny mpanao gazety rehetra ihany koa, araka ny valan-dresaka nataony tamin'ny mpanao gazety manontolo tao Sambava omaly maraina tao amin'ny birao fiasany. Ny avy ao amin'ny zandarimaria Sambava kosa no nandray an-tanana ny fanokafana fanadihadiana lalina momba ity tranga ity, raha ny vaovao voaray.
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap