airtel

Actualités

22-sept-2022

Actualités

Fanodinana ny milin’ny Jirama Ho avy amin’izay ny fampiasana an’i Tsimiroro ?

Sample post image

Nampivarahontsana ny mpanara-baovao ny nandre ny filazan’ny teo anivon’ny Jirama vao tsy ela fa ananan’ny kaompanian-tsolika 800 miliara Ar ny Jiro sy Rano Malagasy.

22-sept-2022

Tsy dia atao mahagaga loatra anefa izany, raha tarafina amin’ireo afera goavana natao hamolosana ny Jirama, raha tsy hilaza afatsy ilay aferan-tsolika 64 000 L izay vitavita ho azy. Mbola sahirana ara-bola na eo aza ny drafi-panarenana, ny mpanjifa no mizaka ny vokany amin’ny fahatapahana lavareny. Hatrany amin’ny 2025 no nambara fa tanjona hahatraran’ny Jirama hahavita hamelon-tena. Isan’ny vahaolana be mpivoy ny fampiasana solika mavesatra na “fuel lourd” ao Tsimiroro, izay voalaza fa efa nahomby ny fanandramana hatrany amin’ny taona 2017. Eo amin’ny fepetra no re fa mbola somary hifanenjanan’ny Madagascar Oil sy ny Jirama. Ny Jirama mitaky tambiny amin’ny Madagascar Oil isaky ny fahatarana amin’ny famatsiana. Mitaky antoka amin’ny fahafahany mividy ny solika mavesatra kosa ny Madagascar oil, izay voalaza fa vonona hividy fiara lehibe afaka mitatitra solika 300 000L avy. Voalaza fa misy tokin’aina ary andalam-pahatanterahana ny hampiasana ny solika mavesatr’I Tsimiroro, ka dia andrasana hoe: hizotra amin’izay tokoa ve? Tsara ny manamarika fa eo ho eo amin’ny 1,7 miliara barila ny tahiry ao Tsimiroro, raha ny fikarohan’ny manam-pahaizana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap