airtel

Actualités

07-févr-2024

Fanolanana zaza tsy ampy taona

Neken’ny antenimierampirenena ny fanenjanana ny sazy

Sample post image

Nolanian’ny teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna vaovao mahakasika ny,

07-févr-2024

famaizana ampiharina amin’ireo mpanolana zaza tsy ampy taona. Niombon-kevitra tamin’ny fampandaniana ity lalàna ihany koa ny mpikambana teo anivon’ny governemanta, sy solontena vitsivitsy. Nandritran’ny famelabelarana nataon’izy ireo tetsy amin’ny antenimierandoholona Anosy androany ihany koa nampiharana ny volavolan-dalàna laharana faha 002/2024 tamin’ny 24 janoary 2024. Izay manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanolanana. Izany dia mifototra amin’ny famosirana ireo voaheloky ny Fitsarana. Amin’ny ankapobeny, mizara roa ny fomba famosirana. « Castration chimique » izay voafetra ny fotoana ao anatin’ny 6 volana ny maha vositra ny voaheloka hitsinjovana ny tsy fahafahany manolana. Ny « castration chirurgicale » dia sazy mandrapahafaty. Ho henjana koa ny sazy hihatra amin’ny mpamerin-keloka izay iharan’ny sazy an-terivozona mandrapahafaty no miampy « castration chirurgicale » raha mbola tsy natao taminy izany teo aloha. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanitsiana sy fanampiana ireo andininy ao anatin’ny lalana famaizana mikasika ny fanolanana. Ireo mpanolana zaza latsaky ny 10 taona dia sazy an-terivozona mandrapahafaty. Raha eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 13 taona dia sazy an-terivozona mandritra ny 15-20 taona antranomaizina. Ho an’ny trangana fanolanana zaza 13-18 taona dia manefa sazy an-terivozona 10 hatramin’ny 15 taona ireo voaheloka. Noho ny firongatry ny tragana fanolanana no antony nandaniana ity lalàana vaovao ity. Tsiahivina fa nahatratra 600 no tratran’ny fanolanana ny taona 2023 manerana ny Nosy ary efa 133 sahady izany isa izany hatramin’ny volana janoary 2024 raha ny antontanisa avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana.
Lalaina Rav
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap