ny hetsika rehetra hotanterahana mandritra ny fankalazana ny faha 64 taonan'ny niverenan'ny fahaleovantena sy fijoroan'ny Foloalindahy, ka ho eo Ambany fitarihan'ny Jeneraly Rakotondramamy Jimmy Clark ao amin'ny minisiteran'ny Foloalindahy ny fanatanterahana ny fanomanana rehetra, raha ny tatitra. Hetsika izay iarahan’ny fiadidina ny repoblika sy ireo minisitera samihafa samihafa manomana. Ankoatra ny lanonana ara-miaramila, nomarihin’ny Minisitry ny foloalindahy Jeneraly Sahivelo Monja Delphin fa homena endrika vaovao ny lanonana samihafa hotanterahana eny amin'ny renivohim-paritany manerana. Heverina ny hanentanana ny vahoaka Malagasy, ny olom-pirenena rehetra hamerenan'izy ireo ny hambom-po amin'ny fitiavan-tanindrazana, hoy hatrany ny serasera. Na eo aza izany mbola tsy voavolavola ny lohahevitra entina hankalazana ny fety, ka ny komitim-pirenena no handinika izany. Zava-dehibe ny fanomanana sy ny fihetsiketsehana asehon’ny mpanomana, saingy raha fahaleovantena sy fiandrianam-pirenena izany aloha dia tena mbola mila ezaka goavana isika, fa mitady ho endriny ivelany fotsiny. Ny toekarena fehezin’ny vahiny, ny harem-pirenena tsy voaaro fa tapitra miondrana, ny mpitondra tsy mahavita tena mitandro ny firaisam-pirenena,… Ilaina ny fanamarihana isan-taona, ilaina ny lanonana mba hanarinariana dia ny vahoaka difotry ny fahantrana,… fa ny tena ilaina dia ny fitiavan-tanindrazana sy fikatsahana ny soa iombonan’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy.
Toky R
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady