Tanterahina ao Mahajanga hatrany izy io isaky ny vakansy lehibe tahaka izao ary tena mahavory olona marobe tokoa. Toy ny fanaony isan-taona dia tsy nanadino ireo mpiara-belona tany an-toerana ny fikambanana Assanati Famo Gidraka, tarihin’ny filoham-boninahiny Rtoa Assanati Famo Gidraka. Nisy ny fanolorany lambahoany ho an’olona miisa 500 nandritra izany niampy omby izay novonoina nentina namahanana ireo vahoaka marobe nanatrika izany. Ho fanandratana avo ny soa toavina Malagasy no sady ho fampiraisana ny mpiray tanindrazana no tanjona. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ireo mponina any amin’ny Faritra Boeny izany fanampiana nataon’ny fikambanana Assanati Famo Gidraka izany. Tsy adinon-dRamatoa Assanati Famo Gidraka anefa nandritra izany ny nampahafantatra ny fanjakana fa misy misoloky ny kaontiny ka manahy ny amin’ny hisian’ireo olona mety ho voafitak’izany izy. Tsy manana kaonty afa-tsy amin’ny anaran’ny Assanati Famo Gidraka ofisialy ny tenany, raha araka ny fanazavany. Mahatratra 184.885 ireo mpanaraka azy ankehitriny, mampihatra ilay teny filamatra manao hoe : Antsika jiaby toujours avec Assanati Famo Gidraka ary ny Werawera tsy maintsy mandeha. Miantso ny fanjakana mba handray andraikitra araka izany ity filoham-boninahitry ny fikambanana ity hahafahana manafoana ireo mpisoloky.
Pati
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira