airtel

Actualités

02-déc-2025

Fanovàna tena izy

«Fanomezana hasina ny fokonolona»

Sample post image

Mba ho fanovàna tena izy marina,

02-déc-2025

hoy ny fanambaràn’ny Eveka ny 11 novambra 2025 teo, no andrandraina manomboka eto. Araka ny fanangonan-kevitra natao samihafa teny anivon’ny fiarahamonina hatreto dia heverina ho zava-dehibe ny fanomezana hasina ny atao hoe Fokonolona amin’ny alalan’ny fifidianana solontena isam-pokonolona mba handray andraikitra amin'ny fanorenana. Hatramin'izay dia fikaonandohan'ny avara-pianarana, FFKM, Raiamandreny ara-drazana, mpanao politika foana no natao. Toa mamoromporona lalàmpanorenana eo dia tafapetraka avy eo ny fanjakan'olom-bitsy mpiremby? Mila fiovam-penitra mahery vaika amin'ny fikaonan-doha mba tsy ho ny teo ihany no miverina. Teny ieran'ny mpiray firenena tena tsy manavaka. Atao aloha ny fifidianana solontena isam-pokontany. Ireo no tohanana ho lasa Antenimieram-pokonolona isam-paritra sy isaky ny distrika na kaominina. Ireo no atao ivon'ny fikaonandoha miaraka amin'ny FFKM dia mankany mankany,hoy ny fomba fiteny. Fisantarana avy hatrany ny fanapariaham-pahefana io. Fanomezam-pahefana ny fokonolona ho tompo-marika amin'ny fanarenana. Miisa 17.000 eo ho eo ireo. Fitondràna foibe mifandrindra sy miray hina tanteraka amin'ny fokonolona no antoky ny fanabeazana, hoy hatrany ny ampahany tamin’ireo fanehoan-kevitra tena nisongadina.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap