amin’ny kaominina sy distrikan’i Faratsiho amin’izao fotoana izao. 400 Ar no lafo indrindra vokatry ny haratsian-dalana midina mankany amin’ireo toerana tena mpamokatra. Lo eny am-potony fotsiny ny paoma vokatr’izany, antony tena mampitaraina fatratra ireo tantsaha mpamokatra. An-taonany maro anefa no lanin’izy ireo nikoloana ilay paoma. Ankoatra ny herim-po dia mandeha tsy miato ny vola saingy fatiantoka tahaka izao no vokany. Ireo mpananom-bokatra koa etsy an-daniny hoy hatrany ny vaovao manararaotra mamaritra ny vidim-bokatra rehefa mba manana fahafahana kely ny hidina any amin’ireo toerana saro-dalana. Misy sahy mampidina 100 Ar mihitsy ny iray kilao amin’ny paoma nefa havoakany 4.000 Ar tonga eto an-drenivohitra. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny lalana miazo an’i Faratsiho ireo mponina any an-toerana vokatr’izany indrindra fa ireo miazo ny kaominina ambanivohitra izay tena mpamokatra.
Pati
Legende : Mitobaka tahaka izao ny paoma ao Faratsiho ao !
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady