airtel

Actualités

23-déc-2022

Actualités

Faritra mena eny amin’ny « La haute ville » Fokontany 15 nametrahana saina mena 400 isa

Sample post image

Tafiditra ao anatin’ny faritra mena hatrany ireo faritra eny ambonin’Anosy sy ny manodidina rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao.

23-déc-2022

Fokontany miisa 15 ahitana mponina miisa 10. 000 mipetraka no voakasik’izany toy ny eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana, Ambohidempona ary Faravohitra sy ny manodidina. Fihotsahan’ny tany sy fianjeran’ny trano tampoka no ahiana amin’ireo Fokontany miisa 15 ireo antony nametrahana ireo saina mena miisa 400 eny an-toerana.Nanomboka omaly alakamisy 22 desambra no nanaovana ny hetsika ka miaramila sy mpamonjy voina miisa 50 no nifarimbona nanatanteraka ny fametrahana izany saina mena izany mandritra ny hadimiana. Miantso ireo mponina miisa 10.000 ireo araka izany ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary sy ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hitady toerana hahafahany mipetraka aloha mandrapisian’ny vahaolana maharitra mikasika azy ireo. Tsy manome alalana amin’ny fanorenana trano eny amin’ireo faritra voakasika ireo intsony moa ny kaominina hatreto.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fametrahana saina mena omaly
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap