tsy misy mampatsiahy ary adino ireo zava-nitranga tamin’ny Malagasy izay nitondran’ny razamben’ny Malagasy ny mangidy. Lasa voavoly tamin’ny saintsika Malagasy ny fifankahalana eo amin’ny mpiray tanindrazana. Fanavakavahana amin’ny samy Malagasy no nitranga ka vao miha nahazo vahana ny mpanjanaka ary tanteraka ilay fiteny hoe :zarazarao anjakana. Manjaka loatra ny fifanandrinana sy ny tsy fahaizana miray hina kanefa hoe mandalina ny fihavanana toa lasa kobaka am-bava fotsiny izany indraindray. Tsy mety tonga saina isika Malagasy hatramin’izay ka hatramin’izao amin’ny hoe tokony hiray hina. Tsy atao mahagaga noho izany raha voazanaka sy lasan’ny vazaha ambongadiny fotsiny ny firenentsika. Rahoviana isika Malagasy vao hitovy amin’ireo firenena Afrikanina niady mafy ho an’i tanindrazany ka nahavita tanteraka nandroaka ireo Frantsay rehetra tao aminy, nakatona tanteraka hatramin’ny masoivoho Frantsay tany aminy. Vitan’izy ireo tanteraka ny nanala ny rafitra napetraky ny Frantsay tao aminy teo amin’ny fampianarana sy ny toekarena. Rahoviana isika Malagasy vao hanana fahasahiana tsy hanao kobaka am-bava fotsiny fa te ho sahy mijoro, sy hanova ny tantara tahaka ny nataon’ireo mahery fo antsika 76 taona lasa izay. Tsy eritreritra fotsiny fa arahana asa, ho an’ny tanindrazana sy ny taranaka.
Princy Lucas
Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.
Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka
Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.
Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny