airtel

Actualités

29-janv-2025

FIAINAN-TOKANTRANO T

okony hifanampy foana ny lahy sy ny vavy

Sample post image

Tokony hifanampy hatrany ny lahy sy vavy ao anatin’ny tokantrano raha tiana ny

29-janv-2025

hisian’ny fandrindram-piainana sy ny filaminana. Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary hoy ny Ntaolo ka izay tsy vitan’ny iray mba tokony ho vitan’ny iray kosa. Arahin’ny firaisan-tsaina izany indrindra amin’ny fiatrehana izao hasarotan’ny fiainana lalovantsika izao mba hisian’ny fahombiazana ao anatin’ny tokantrano. Lohalaharana amin’ireny ny fifanohanana ara-tsaina, ny fiaraha-mitondra izay mavesatra, ny fifampaherezana raha tojo fahombiazana….Notsiahivin’ny Pastera Dyna Trimozafy fa na inona na inona zava-misy hiainana dia tokony hahay hifankatia sy hifanohana hatrany ny mpivady. Ny lahy tokony ho tia ny vavy ary ny vavy kosa tokony hanaiky ny lahy, araka ny tenin’Andriamanitra. Na dia mihazakazaka aza ny fandrosoana ateraky ny fivoaran’ny teknolojia raha ny nambarany dia fanekena efa natao teo anatrehan’Andriamanitra ny tokony hitiavana ny vady. Tokony hisy hatrany ny fotoana hifampiresahana ao an-tokantrano ao fa tsy variana amin’ny fampiasana finday…Mampihemotra ny fiainam-panambadiana izany hoy Pastera Dina Ratrimosafy. Ny manodidina rehetra mantsy hoy izy mety ho levona fa ny vady mitoetra eo foana.
Pati
Legende : Olombelona roa natao hifanampy ny mpivady !
+++ 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap