airtel

Actualités

25-avril-2023

Actualités

Fiampitana amin’ny angovo azo havaozina

Sample post image

Mila 1000 miliara dolara ireo firenena mahantra

25-avril-2023

Ny fiampitana ara-angovo na « transition énergétique » any amin’ny firenena sahirana na andalam-pandrosoana dia mila fanavaozana ara-potodrafitrasa raha ny sehatry ny herinaratra, ary mila mandalo amin’ny fiakaran’ny fahombiazana ara-angovo sy angovo azo havaozina, miroso amin’ny fampihenana tsikelikely ny famokarana miainga amin’ny “charbon”, raha ny fijerin’ny Banky Iraisam-pirenena. Misy ny karazana tondrozotra vaovao tolo-kevitr’io rafitra ara-bola maneran-tany io antsoina hoe : « scaling Up to Phase Down », izay torolalana hamantarana ny fahasarotana eo amin’ny famatsiam-bola sy ny famolavolana fomba fijery mivelatra hisorohana izany. Raha ny fijerin’ny Banky Iraisam-pirenena, ny firenena kely fidiram-bola na salantsalany izay ahitana ny 89% ny famokarana angovo mandeha amin’ny akora « charbon » eto ambonin’ny tandy dia tandindonin-doza amin’ny hitsaharany, ary tombanana ho hatrany amin’ny 1000 miliara dolara ny fampiasam-bola hiatrehana izany. Heverina fa tsy mifankaiza amin’izany ny olan’i Madagasikara izay mbola ny 70 na 80% eo amin’ny toby famokarana no mbola mandeha amin’ny solika, ary io iaraha-mahita io ny zava-misy ankehitriny. Mila volabe ny fivadihana amin’ny angovo azo havaozina, saingy mihazakazaka izany any amin’ny firenena mandroso, izay tafiditra ao anatin’ny fikajiana ny tontolo iainana, hampihenana ny entona mangeja ihany koa. Mandrisika ary manohana ny fanafainganana ny fiovana ara-angovo makany amin’ny loharanon’angovo izay kely ny entona mangeja ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny Filohany David Malpass. Mila hamoraina ny famatsiana ireo orinasa fa indrindra ireo tokantrano tsotra tsy afa-misitraka herinaratra mila pitsopitsony ara-pamatsiam-bola mba hampihenana ny entona manimba ary voaporofo, ka voalaza fa mandrisika ny sehatra tsy miankina sy manokana volabe amin’izany sehatra izany ny Banky Iraisam-pirenena. Raha ho antsika eto Madagasikara kosa, eo anatrehan’ny olana ara-angovo ankehitriny, maro amin’ireo manam-pahaizana ihany no mandrisika sy mametra-panontaniana hoe : inona tokoa no tsy hitrandrahantsika ny « charbon de terre » ao Sakoa sy hananganantsika toby mpihary herinaratra mihodina amin’ny alalan’izany ? Sa noho ny olana ara-bola hoenti-manao izany sy ny efa fialana amin’io endri-pamokarana io eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap