airtel

Actualités

22-févr-2024

Fiaraha-miasa amin’i Algérie

Nanolotra ny fanendrena azy ny masoivoho vaovaony

Sample post image

Tonga nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa sy honina eto

22-févr-2024

Madagasika tamin'ny Filoham-pirenena ny Masoivoho vaovaon'ny Repoblika alzeriana demokratika etim-bahoaka, Andriamatoa Filali Ghouini ny andron’ny omaly. Efa amam-polo taonany maro no nisian'ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta ary hohamafisina bebe kokoa ireo sehatra ahafahana miara-miasa indrindra eo amin'ny lafiny ara-toe-karena, ny fifandraisana ara-barotra sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina ary ny fampianarana ambony sy ny fanofanana arak'asa, hoy ny fampahatsiahivan’ny Fiadidian’ny Repoblika Malagasy. I Madagasikara izay marihina fa isan’ireo misitraka vatsim-pianarana maro avy amin’i Algérie saika isan-taona. Tsara ny manamarika fa tsy manana ambasadaoro any amin’io firenena io isika, ary na ny any Maroc izay nampanantenaina tamin’ny dian’ny filoha sy ny delegasionina notarihiny tany ny oktobra 2022 fa hotendrena tsy ho ela aza tsy nisy mandrak’ity ny androany. Io omaly io ihany koa no nanolotra ny taratasay manendry azy hiasa sy honina eto Madagasikara ny masoivoho vaovaon'ny Repoblikan'i Korea Atsimo, Ramatoa Park Ji-Hyun. Hotohizana ary hamafisina ihany koa ireo tetikasa efa natomboka indrindra eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fotodrafitrasa, hoy ny tatitra.
Toky R


 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap