airtel

Actualités

07-févr-2024

Fiatrehana ny fahavaratra

"Tsy misy Ambohitrimanjaka atahorana ho tondraka izany"

Sample post image

Tsy misy Ambohitrimanjaka atahorana ho tondraka izany,

07-févr-2024

hoy ny ben'ny tanàna ao amin'ity kaominina ity, Ihajason Randriamanalintsoa, nanitsy ny filazana fa efa ho tondraka ny tanimbary ao an-toerana ao anatin'izao fihatrehana ny fahavaratra izao. Tsy mbola manana fanahiana amin'izany izahay hatreto, hoy izy. Voadidin'ny reniranon'Ikopa sy Sisaony izahay. Ny fefiloha fotsiny no arahana maso miaraka amin'ny APIPA sy Produir amin'izao fotoana izao. Teny Apinga teny izao nisy fefiloha nihotsaka teo dia noraisinay an-tanana na teo aza ny antsoavo natao tamin'ny APIPA hoe mba vonjeo "bois rond" na gony saingy tsy nisy namaly. Izahay teto Ambohitrimanjaka, noho izany, no nidina an-tsehatra nividy izany sy nitondra ireo vatan-dehilahy hanavotra ilay fefiloha. Fararano izao Ambohitrimanjaka dia efa samy mijinja ny variny ireo tantsaha. Teo amin'ny 6 taonina isaky ny hektara teo ny vokatra tamin'ity, hoy hatrany ny ben'ny tanàna.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap