airtel

Actualités

28-févr-2024

FIEFERANA AVARADRANO

Zaza roa no maty nilatsaham-potaka omaly

Sample post image

Zaza roa be izao no fantatra fa indray maty nilatsaham-potaka omaly Talata 27 Febroary

28-févr-2024

tany amin'ny Sekoly iray ao Soanarivo Kaominina Fiaferana, distrikan’Avaradrano. Nanodidina ny tamin'ny mitatao vovonana tany ho any no nitrangan’ny loza, raha araka ny vaovao azo. Vao nanomboka kely ilay orana dia niseho ny loza hoy hatrany ny vaovao, zaza fantatra fa handeha hanohy fianarana hariva ny iray. Avy hatrany dia nitsipaka izy ireo na dia efa nitadiavana vahaolana aza ny nanavotana ny ainy. Tsiahivina moa fa tsy teto an-drenivohitra ihany no avibe tahaka iny ny ranon’orana omaly Talata mitatao vovonana. Saika nahitana izany avokoa ny faritra maro nanodidina an’Antananarivo izay marihina fa niaraka tamin’ny rivo-mahery. Tsy dia naharitra loatra anefa izany. Marihina moa fa nisy tamin’ireo faritra maro teto an-drenivohitra no tapaka ihany koa ny herinaratra nanomboka tamin’ny 12 ora omaly Talata ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 06 ora hariva.
Pati
Legende : Ireo zaza maty nilatsaham-potaka omaly tany Fieferana !
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap
19-mai-2025

Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana

Card image cap
19-mai-2025

Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny

Card image cap
16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap