Misy koa ny efitra natokana ho an'ireo mpinamana, mpiara-miasa ,mpianakavy mba te hiaraka hisakafo na hanala azy kely aorian'ny asa, na ihany koa hankalaza daty manokana, indrindra moa fa raha hifety sy hifampiarahaba noho izao taom-baovao 2025 izao . Manana "salles privées" ny PHO Resto.
COCKTAIL DE FÊTE
Raha ny lafiny sakafo kosa indray, misy izay ilaina, na zava-pisotro na tsakitsaky ao amin'ity toeram-pisakafoana ity, samy afaka mahazo izay tiany avokoa na ireo tia ny mamy na ireo tia ny sakafo masira. Tolotra vaovao ihany koa no atolotry ny PHO Resto ho an'ny mpanjifany dia ny "cocktails de fête", izay manomboka amin'ny sarany 10 000 Ar isan'olona izany.
ANY AN-TRANO...
Tsara ho fantatra ihany koa fa azo atao tsara ny miantso azy ireo raha toa ka any an-trano na any anaty Birao no safidy hanaovana ny fety na fifampiarahabana . Mandray ny antso , afaka manazava ireo tolotra rehetra misy ny 034 99 910 99.
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira