airtel

Actualités

07-déc-2022

Actualités

Fihaonan’i Hajo sy ny mpianatra haifiarahamonina “Zava-dehibe ny fametrahana politika sahy sy mazava”

Sample post image

Nanatanteraka fihaonana, famelabelaran-kevitra tamin’ireo mpianatra taona fahatelo manaraka ny lalam-piofanana haifiarahamonina na « Sociologie »

07-déc-2022

teny amin’ny oniversiten’Antananarivo omaly ny filoha nasionalin’ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga, Hajo Andrianainarivelo. Fihaonana mifandray amin’ny fandaharam-pianaran’ireo mpianatra hiresahana ny tontolon’ny politika io, raha ny fanazavana. Lohahevitra noraisina nandritra izany ny hoe « Olana eo amin’ny rafitra politika sy ny fampandrosoana eto Madagasikara ». Zava-dehibe ny fametrahana politika sahy sy politika mazava ary hentitra ho an’ny fampandrasoana ary hitondrana fanavaozana ho an’ny firenena, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko MMM. Tanjona ho an’ny fizarana iarahana amin’ny mpisehatra ara-politika toy izao ny fanampiana ireo mpianatra hahafantatra bebe kokoa ny tontolo politika. Eo ihany koa ny famporisihana azy ireo handray anjara amin’izany amin’ny ho avy, hoy hatrany ny fanazavana. Ankoatran’ny famelabelarana, nisy ihany koa ny fizarana sy ny fifanankalozan-kevitra nataon’ny filohan’ny MMM niarahana tamin’ireo mpianatra haifiarahamonina nandritra izany. Tsiahivina, manodidina ny 280 isa ankehitriny ireo mpianatra taona fahatelo manaraka ny lalam-piofanana haifiarahamonina eny amin’ny anivon’ny oniversite an’Antananarivo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap